Mifandrirotra ny mpanao politika amin`ny resaka fanoherana indrindra eo amin`ny lehiben`ny mpanohitra.
Fantatra fa nisy lalàna nivoaka momba ny antoko mpanohitra ary efa voalaza ao anatin`ny lalàmpanorenana. Ny olana eto Madagasikara, hoy Rtoa Aimée Ratsimbazafy, filoha lefitry ny KMF/Cnoe Fanabeazana ny olom-pirenena , dia efa misy ny lalàna nofidiana sy efa mipetraka saingy ny fampiharana asa mihitsy no mahatonga ny mpanatanteraka tsy tapa-kevitra mametraka izany. Nandritra ny fivorian`ny birao nasionalin`ny KMF Cnoe dia efa nanamafy izy ireo fa aoka hifanjohy ny fifidianana ny lalàna. Rehefa tafapetraka izany dia tokony hiaraka aminy ny lalàna fampiharana mba tsy hampiteraka savorovoro eo amin`ny samy Malagasy. Ny lalàna mihantona, hoy ity filoha lefitra ity, ary mampisalasala ny olom-pirenena na ireo tomponandraikitra, indrindra moa ireo antoko politika. Mahakasika ny hoe « samy te ho mpanohitra » ireo antoko dia nilaza Rtoa Aimée Ratsimbazafy fa efa dingana iray ny fihaonan`ireo antoko mpanohitra ary antenaina hitondra zava-baovao ka mba hisy fivoarana eo amin`ny antoko politika rehetra. Nomarihany kosa fa maro ireo antoko politika eto Madagasikara nefa mahagaga fa vitsy amin`izy ireo no sahy sehatra amin`ny fifidianana. Ny antom-pisian`ny antoko politika dia ny fandraisany fahefana amin`ny alalan`ny fifidianana. Saingy tsy izany no zava-misy ka mampieritreritra ihany ny fisiany. Antoko politika tokoa marina ve izy ? Ny antoko politika dia manana vina ka nahoana ny vinan`ireo antoko maro ireo ? Anjaran`ny minisiteran ny atitany no mandray andraikitra momba ny antoko politika izay tsy mandray anjara amin`ny fifidianana, hoy ihany izy. Mila atao mazava amin`ny olo-pirenena izany satria ny vahoaka mijery sady mametra-panontaniana amin`ny hoe “antoko iza no inona ? manao inona ?” Tsy fantatra intsony, hoy hatrany ny fanazavana
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.