Politique

Antoko politika Marina “Vahoaka sisa tsy afarana eto”


  • Alatsinainy 14 Novambra 2022

Na tiana na tsia, rehefa mitondra fanjakana ianao dia manana politikam-pampandrosoana ianao izany, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika Marina, Désiré Ranaivoson.

Io, hoy izy, no mampiavaka antoko na vondron’antoko. Mitondra vinam-piarahamonina izy, praograman’asa hoe ireto no endrika fampandrosoana hitondranay ny tany sy fanjakana. Ny mpitondra amin’izao izany dia nametraka hoe ny anay IEM no hitondranay azy dia lasa PEM izy izay dia hoe manao izy ny fampiharana izay politikam-pampandrosoana izay. Anjaran’ny rehetra no manao tombana hoe mahomby ve sa tsia ilay izy? Ny an’ny antoko Marina moa dia refesiny amin’ny hoe inona no tsapan’ny sarambabem-bahoaka ny fahombiazan’ny politikam-panjakana? Matoa mbola mipetraka izao ny olana dia mbola tsy 100% ny fahombiazan’ny politikam-panjakana. Ny antoko Marina dia mipetraka foana amin’ny foto-pisainana malagasy. Mametraka izahay ny hoe misy fahaiza-manao malagasy be dia be tsy voatrandraka eto Madagasikara. Vao haingana aho izao no nahita tamina fandaharana amin’ny fahitalavitra hoe manam-pahaizana amin’ny resaka angovo, herinaratra malagasy afaka manamboatra milina iray mamatsy distrika iray. Asa tanana malagasy, vita malagasy ary tsy voatery miandry fanampiana avy any ivelany. Fa maninona no tsy atosika ny fahaiza-manao malagasy? Izany no atao hoe fampandrosoana. Fahaizanao mamolaka sy mampiasa ny zava-misy ao an-toerana hisian’ny fahatsaram-piainan’ny mpiara-monina. Ny tara na “goudron” izao io natao handehanan’ny fiara amin’ny arabe, ny vazaha no namorona azy. Izany no tokony fikarohana atao eny amin’ny ambaratonga ambony hoe eto Madagasikara ve misy akora azo ampiasaina handehanan’ny fiara fa tsy voatery hanafatra “goudron” avy any ivelany? Izany no fikarohana tokony ataontsika fa misy manao ve nefa izany izao? Toy izay koa ny angovo. Misy manam-pahaizana malagasy afaka mitondra vahaolana ara-tekinika, ara-pitantanana izay mety tsy voatery handaniana volabe na andrasana famatsiana. Fanontaniana tokony hipetraka voalohany manoloana ny olana izay mitranga izany dia hoe misy malagasy ve mahita vahaolana? Misy zavatra azo trandrahana ve eto Madagasikara hamahana an’io? Rehefa tsy misy intsony ato izay isika vao hoe andao aza sao dia misy zavatra ampiasain’ny any ivelany? Ny antsika vao misy mitranga dia hoe andao hihindram-bola, andao hanafatra na olona io na fitaovana. Vahaoka sisa tsy afarana. Miantehitra loatra amin’ny any ivelany ny fampandrosoana eto Madagasikara, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Désiré Ranaivoson
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT