Antoko politika Marina

«Tsy tokony ho ny vokatra ankapobeny fotsiny no avoakan’ny CENI!»


  • Alarobia 05 Jona 2024

Ny zava-misy amin’izao dia manamarina foana ny fitakiana an-taona maro hoe mila avaozina ny

tontolon’ny fomba fikarakarana fifidianana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika Marina. Efa notakiana foana io, hoy ny filohan’izy ireo Désiré Ranaivoson, tahaka ny hoe mila fidiana ny sefo fokontany. Tamin’ny 2017, 7 taona lasa, no efa nitaky izany ny antoko Marina. Be dia be izao ny fitarainana hoe manao fampilezankevitra mivantana mihitsy indraindray ny sefo fokontany. Notakiana tamin’izany koa ny hoe mila avaozina ilay lalàna mifehy fifidianana. Ilay tontolom-pifidianana mihitsy izany no tsy ahafaha-manao fifidianana am-pitoniana amin’izao fotoana izao. Mila fiaraha-midiniky ny malagasy hanatsarana an’io. Mandeha ny fifanilihana dia somary manahirana tokoa ny savorovoro izay mampahatsiahy ny tononkalon’i Rado hoe «Itsy milaza an’iry ho mpandainga. Izatsy milaza an’iry ho mpamitaka. Manahy aho fa efa miainga any sahady ny ady saritaka!». Raha tena hiady amin’ny savorovoro isika dia tsy tokony hoe ny vokatra ankapobeny fotsiny no avoakan’ny CENI fa tokony hamoaka amin’ny fomba hafa ny vokatra samihafa hahafahan’ny malagasy rehetra manara-maso koa izy hoe voka-pifidianana isaky ny biraom-pifidianana! Azo atao tsara izany na ny olompirenena tsotra, na mpanara-maso na mpanao politika na mpilatsaka ho fidiana no samy afaka manara-maso hoe ity no firaketana an-tsoratra na PV am-pelantananay dia ity no vokatra tao amin’ilay birao fandatsaham-bato nifidiananay, ito marina tokoa no vokatra tao. Manala ny ahiahy eo amin’ny fikirakirana vokatra ny fisian’ny mangarahara, hoy hatrany ny antoko politika Marina.
J. Mirija
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT