Antoko politika Marina

“Tsy tafavoaka isika raha tsy teny ierana”


  • Talata 05 Desambra 2023

Mametraka foana ny antoko politika Marina, hoy ny filohany, Désiré Ranaivoson,

fa raha tsy ny malagasy manontolo no mifanome tanana dia sarotra be ny hampandroso ny firenena. Hitantsika, hoy izy, fa tamin’ny fifidianana farany teo dia vitsy ny olona nifidy. Ty tena manome aina ny fiainam-pirenena no dikan’izany ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao ary sarotra be ny mampandroso firenena anatin’izany tontolo izany. Tsy tafavoaka isika raha tsy teny ierana no enti-mandamina ny firenena. Tsy hahafeno ny fepetra ahafahany mitondra fampandrosoana na tafapetraka aza ny filoham-pirenena vaovao rehefa tsy misy zavatra iombonan’ny malagasy. Mila mifampiresaka ny malagasy manontolo. Mety hisy fifidianana hoavy ka tsy mbola hisy fanantenana raha mbola tsy mifampiresaka ny malagasy. Tsy resaka fifidianana fotsiny no tokony hifampiresahana eto amin’ny firenena fa fifampitondrana mihitsy eo amin’ny samy malagasy. Tsy voatery resaka seza na lalàm-pifidianana satria ny mpanao politika izao no mety ho liana amin’izany fa tokony jerena koa hoe inona no hetahetan’ny sokajin’olona samihafa? Ahoana ny rafi-panjakana tokony atao na rafi-pitondrana tokony atao? Sao dia mba tokony ialana amin’izay ny hoe olona tsy manana fepetra tokony hitana toerana iray nefa mibahana izany noho ny antony politika? Tokony misy fahaiza-manao takiana ka ankoatran’ny lafiny politika dia tokony handeha aloha ny fahaiza-manao. Rehefa tsy manana fahaiza-manao dia tsy tokony omena toerana satria manimba firenena! “Méritocratie” na fanomezana andraikitra izay mendrika no tokony atao fa tsy akamakama na “copinage”, hoy hatrany ny antoko politika Marina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT