malagasy no tsy maintsy atao»
Mitaky fiovàna hatramin’ny fotony ny vanim-potoana lalovan’ny firenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Marina, mba hamaliana ny fitakiana nataon’ny tanora sy ny olompirenena ka tsy ho diso fanantenana izy tamin’ny tolona nikelezany aina. Fiovàna mifototra amin’ny rafitra miorina amin’ny soatoavina malagasy no tsy maintsy atao, hoy izy ireo, hahafahana mametraka olona manaja izany soatoavina izany ka hahafahan’ny malagasy rehetra misitraka ny zo fototra rehetra ananany, mihary malalaka sy misitraka ny harem-pirenena eto amin’ny taniny, miara-monina anaty fandalàna ny marina, ny rariny, ny hintsiny, miala amin’ny jadona ateraky ny fivangongoan’ny fahefàna amin’olon-tokana, manana vondrom-paritra isan’ambaratonga mahazo ny fahefàna sy ny ho enti-manana tokony ho azy hiatrehana ny fampandrosoana eny ifotony, miala amin’ny gejan’ny firenen-kafa sy ny endrim-panjanahana rehetra. Dingana tsy maintsy lalovana amin’izany ireto. Voalohany, famindràna ny fahefàna ara-dalàna amina rafitra iray hitondra anaty fotoana fohy ny firenena ka homena adidy hanao ny fomba rehetra hahatongavana amin’izany ireo rafi-panjakàna sy ireo rafi-pitsaràna ary sampan-draharaha tandrify azy avy. Faharoa, fanatontosàna fihaonambem-pirenena mahefa handinihana sy handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny lafim-piainan’ny firenena manontolo toy ny rafi-pitondràna, rafitra ara-toekarena, rafitra ara-tsosialy sy ny maro hafa. Fahatelo, firosoana anaty fotoana fohy sady voafetra amin’ny fametrahana repoblika mendrika ny malagasy, hoy hatrany ny tolo-kevitr’ity antoko politika ity.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.