Politique

Antoko politika Marina Hanohana kandida manam-pahendrena…


  • Alatsinainy 21 Aogositra 2023

Nifarana ny sabotsy teo tetsy amin’ny Astauria Antanimena ny kaongresin’ny antoko politika Marina izay

nanavaozana ny birao mpitantana ity antoko ity ho amin’ny 5 taona manaraka. Mikasika ny raharaham-pirenena, hoy ny filoha nasionaly vaovaon’ny antoko, Désiré Ranaivoson, dia tsy ny talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny repoblika ihany fa hoy izahay hoe aoka tsy ho zohy fieren’ny jiolahy ny rafi-panjakana eto Madagasikara! Taloha, hoy izy, raha ny mpitondra fanjakana no manao tsy ara-dalàna dia ny azy no mafy indrindra noho ny an’ny olon-tsotra ny sazy satria efa omena fahefana, tombontsoa, sahaza azy izy mbola manao zavatra hafa ihany, noho izany, avo kokoa ny sazy sahaza azy mihoatra ilay olon-tsotra tsy manana an’izay. Izay no mahatonga ny antoko Marina hilaza hoe andao haverina ny fahendrena malagasy. Mikasika ny kandida filoham-pirenena dia ny fotokevitray no mamaly azy hoe “Ny firenena ho tafarina raha manohana olo-marina!”. Tsy miteny izahay hoe olona tonga lafatra tsy misy pentina fa fara-faha keliny olona manaja soatoavina sy fiarahamonina ary manam-pahendrena sy manam-panahy no tokony hapetraka hitantana ity firenena ity. Tsy vitan’olona iray io. Nizara fanampiana ho an’ny traboina izahay ny taona 2008. Tsy nisy olona nitaraina na iray aza tamin’izany teo amin’ny faritra Soavimasoandro satria ny antony nasaina nalain’ny sefo fokontany hatramin’ny isan’ny olona traboina isan-tokantrano.Tsy nisy na Ariary niodina fa novakiana teo ny vola lany. Ankehitriny misamaritaka ny olona satria tsy matoky intsony ny fahamarinan’ilay fitondrana ny tany sy ny fanjakana. Tsy maintsy hifampiresaka izahay hoe iza ilay hamerina ny soatoavina malagasy, hahafahana mamoaka fanapahan-kevitra mampanakarena ny malagasy fa tsy olom-bitsy? Rehefa hitanay fa manjaka ao ny hevitry ny Marina dia efa fandresena ngezabe ho anay izahay na dia tsy voatery hitovy 100% amin’ny hevitray aza, hoy hatrany ny Marina.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT