Antoko politika Maeva

«Manainga ireo kandida sy olona nifidy rehetra mba tena hiaro ny safidiny»


  • Zoma 13 Desambra 2024

Efa niteny sy nanazava mikasika ny mety ho tsy fahatomombanan’ny fifidianana amin’ny ankapobeny eto amin’ny

firenena tao anatin’izao fifidianana kaominaly izao ny antoko politika Maeva na Madagasikara endrika vanona ny zoma teo, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana. Hatramin’ny marainan’ny 11 desambra ny tena, hoy izy, dia efa nifanerasera tamin’ireo namana any amin’ny faritra andrefana hatrany Soalala, Mitsinjo, Mahajanga, Analalava. Toy izany koa ny tany Atsimo atsinanana hatrany Fenoarivo atsinanana sy Vavantenina. Ny tany Manakara hatrany Toliara. Hita tamin’ny ankapobeny nanerana faritra maro fa tsy araka ny tokony ho izy ny fandehan’ilay fifidianana. Ny ao Antananarivo renivohitra moa tsy lazaina intsony. Izay no ametrahana hoe tokony hisy fanavaozana araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny firenena. Tsy resahina intsony ny taham-pahavitrihana ao anatin’izany satria matoa tsy tonga mifidy ny vahoaka dia efa tsy matoky intsony ary tsy mankasitraka intsony ny fomba fanaovana politika amin’ity firenena ity. Inoana sy antenaina fa tonga eo anivon’ireo tomponandraikitra, na CENI io na fanjakàna, izay atao hoe miahy mivantana izany fifidianana eto amin’ity Madagasikara ity ireo olana rehetra. Manainga ireo kandida sy olona nifidy rehetra mba tena hiaro ny safidiny. Sao dia mba diso lalana isika raha mbola hiheritreritra ny hanodinkodina ny safidim-bahoaka indray? Inoana sy antenaina fa amim-pahendrena no andraisan’ny fitondram-panjakàna fanapahan-kevitra sy vahaolana, hoy hatrany ny antoko politika Maeva. Nilaza moa ity antoko ity fa manameloka ny fisamborana tsy ara-drariny natao tamin’ireo solombavambahoaka tany Mahajanga sy mpanolontsaina tany Toamasina noho ny hevitra politika tsy mitovy nandritry ny fifidianana ben’ny tanàna notanterahina ny 11 desambra teo. Miantso ny fitondram-panjakàna, hoy izy ireo, hijery akaiky izao toe-javatra mampalahelo no mamoafady ary mahamenatra amin’ny etika politika izao fa tsy mitondra fitoniana velively. Mampahery ny vahoaka malagasy hijoro amin’ny fahamarinana, hoy ihany ny antoko.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT