Tena nandinika ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny
firenena ny antoko politika Maeva tao anatin’izay 2 volana mahery nahanginany izay, hoy ny filohan’ity antoko ity, Mamy Raharimanana. Nanomboka ny desambra 2024 izahay, hoy izy, no efa nanaitra ny fitondràm-panjakàna. Tena nanaitra an’andriamatoa Andry Rajoelina mba tena handray andraikitra fa tsy tafavoaka intsony i Madagasikara amin’ny lafiny rehetra, indrindra, ny resaka politika. Tapitra izay ny fandraisanay andraikitra amin’ny fiantsoana ny mpitondra fanjakàna amin’ny ankapobeny hitady vahaolana eto amin’ny tany sy ny firenena. Ankehitriny dia miha mafàna ny toe-draharaha politika sy ny resaka sosialy. Matoa misy olona manao fitakiana amin’ny lafiny rehetra dia misy dikany. Efa ela no tokony hita ny vahaolana mba maharitra fa tsy petatoko amin’izany delestazy izany. Miditra izao ny mpianatra. Eo ny fisondrotry ny vidin’entana amin’ny ankapobeny. Tsy resaka fizahozahoana amin’ny hoe nahavita teleferika na lalambe 8km sy izay rehetra nandraisana SADC intsony no vahaolana fa hoe inona no vahaolana maty paika entin’Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny ekipany hanavotana ny firenena. Rehefa tsy mahavaha olana eto amin’ny tany sy ny firenena, mametraha fialàna fa tsy ianao indray no hamboly korontana toy ny tamin’ny 2009! Tadidio tsara fa ny olana teo amin’ny mpitondra tamin’izay fotoana izay sy ianao mihitsy, mahakasika ny fanakatonana haino aman-jery, no vao mainka nampirongatra ny olana tamin’ny 2009. Ity tsy olona iray intsony no mitaky aminao fa ny vahoaka malagasy mihitsy hoe vahao ny olana momba ny jiro, rano sy ny rehetra! Tsy vahaolana ny fisamborana politika. Vao mainka hanafàna ny toe-draharaha politika sy fitakiana politika, fitakiana sosialy eto amin’ny tany sy ny firenena izany. Tena manohitra ny fisamboràna ny mpanao politika sy vahoaka malagasy manao fitakiana tsotra ny Maeva saingy ny mampanahy dia ny hoe sao sanatria filalaovana politika indray no misy? Aza lalaovina amin’izany intsony ny vahoaka malagasy! Filalaovana politika no niseho tamin’ny 2009. Izao no niafaràn’ny vahoaka sy firenena malagasy. Aoka ny malagasy ho tonga saina noho ny fitakiana ara-drariny fa aza manaiky lalaovin’ny mpanao politika! Mety ho fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» na mety fambolena korontana mihitsy hahatongavana amina tanjona iray koa tsinona izany. Tsy misy izay tsy mahafantatra ireo olona nosambosamborina ireo. Ajanony ny fisamborana raha tena politika no atao! 3 taona sisa dia ho tapitra ny fitondràn’andriamatoa Andry Rajoelina. Aza miheritreritra ny hirotsaka intsony! Efa napetraky ny lalàmpanorenana koa izay. Ilay filalaovana politika toy ny tamin’ny 2009 ka nampisy tetezamita hanohizana fitondràna indray no aoka tsy hiverina intsony! Raha tsy nisy iny «ni…ni» iny tamin’ny 2009, dia mbola izy ihany no nitondra tamin’ny 2013. Ny mpanao politika no tena fanetriben’ny firenena eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny. Fahendrena ho an’ny filoham-pirenena ny mametra-pialàna rehefa tsy mahita vahaolana fa efa mijaly ny vahoaka malagasy. Anaty fahasahiranana tanteraka. Aoka tsy ho alevina velona mihitsy, sanatria, ilay vahoaka malagasy efa mandady sy mandohalika ankehitriny, hoy hatrany ny Maeva!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.