Politique

Antoko politika madio “Fifidianana ihany”


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Araka ny voalazan’ny andininy faha 10 ao amin’ny didim-panjakana laharana 2022-667 mifandraika amin’ny

fanarenana ifotony ny lisitry ny mpifidy sy rejisim-pifidianana dia nanomboka ny 1 oktobra 2022 lasa teo ny fanisana ny mpifidy sy fandraisana an-tsoratra ny mombamomba ny olompirenena feno taona sy manan-jo hifidy izay haharitra 3 volana, hoy ny antoko politika Madio na APM. Izany dia tanterahan’ny vaomiera ifotony misahana fanisana mpifidy na « Commission Locale de Recensement des Electeurs – CLRE », solontenan’ny kaomisionim-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI isam-pokontany. Tianay APM ny mampahafantatra ny olompirenena rehetra fa amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hisian’ny fifandimbiasam-pahefana manaraka ny lalampanorenana aty amin’ny tany demokratika tahaka an’i Madagasikara ka manan-jo feno amin’izany ny olompirenena rehetra feno taona sy tsy very zo. Ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy dia midika fa foana tanteraka ny lisitra efa nisy teo aloha. Noho izany dia manao izao fanambarana manaraka izao izahay ; manentana ny olompirenena rehetra feno taona mba hanatona ny fokontany misy azy hanoratra ary hanamarina ny anarany sy ny mombamomba azy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Mitaky ny mangarahara sy asa mirindra amin’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI mba hisian’ny fahatokisana eo amin’ny vahoaka sy io rafitra mahaleotena io. Mitaky ny fametrahana tekinisianina solotenan’ny antoko politika tsirairay hiara-hiasa maharitra amin’ny CENI eo amin’ny lafiny fanaraha-maso ny fampiasana ilay rindram-baiko izay ampiasainy mandritry ny fandrafetana io lisitry ny mpifidy vaovao io, hoy hatrany ny APM omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT