ANTOKO POLITIKA ISIKA MPANDRESY

Hanamafy ny fanabeazana ara-politika eto Madagasikara


  • Talata 26 Aogositra 2025

Niampy iray indray ny antoko politika eto amintsika.

Tafatsangana ny Isika Mpandresy, tarihin'ny Filoha nasionaliny Razafimandimby Rija Ethel. Fikambanana teo aloha no nivadika ho antoko ny Isika Mpandresy, manana vina hanorina an’i Madagasikara ho tsara kokoa, mifototra amin’ny foto-kevitra sosialista. Tsy mbola mieritreritra ny handray anjara amin’ny fifidianana aloha ny antoko fa hiompana kokoa amin’ny fanamafisana sy fanabeazana ara-politika. Tanjona ny hahatonga ny mpanao ny politika tsy ho mora hamadika palitao intsony toy ny zava-misy eto amin'ny Firenena amin'ny alalan'ny fanofanana ara-politika omen’ny antoko.Efa maherin’ny 5.000 isa moa ireo mpikambana ao amin'ny antoko Isika Mpandresy eto Antananarivo. Mbola hihitatra manerana ny Nosy izany ho an'ireo izay vonona ny hifanome tanana aminy sy mankasitraka ary resy lahatra amin'ny foto-kevitra hijoroany.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fikambanana tarihin'ny Filoha nasionaliny Razafimandimbh Rija Ethel !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT