Antoko politika Ilo Mada

“Niova ny fitsokan’ny rivotra eny amin’ny antenimierampirenena”


  • Alakamisy 07 Desambra 2023

Fanta-poko, fantam-pirenena fa ny antoko politika Ilo Mada dia nanohana kandida iray

tamin’ireo mpikamban’ny firaisankinan’ireo kandida ho filoham-pirenena dia tsy iza izany fa ny kandida laharana voalohany, Tahina Razafinjoelina, hoy ny filohany, Andrianarimalala Heritiana. Nisafidy ny hiaraka sy hitaky ny ara-dalàna niaraka tamin’ireo vondron’ny kandida moa dia tsy maintsy nanaraka izany toromarika izany izahay, hoy izy. Nisy ny fahombiazana tao anatin’ny tolona. Na dia tsy tanteraka aza ny teboka miisa 4 tao anatin’izany dia ny fitakiana ny fandravana ny HCC sy ny CENI, ny fitakiana fananganana rafitra manokana hisahana fifidianana na CES ary ny fananganana governemanta iaraha-mitantana hanomanana izany fifidianana izany dia maro kosa ireo nanaraka ny toromarika ny amin’ny tsy handehanana mifidy ny 16 novambra lasa teo. Mino sy matoky izahay fa mbola mandalina ny mety ho tohin’ny tolona ireo kandida ireo. Ny ankilany moa miroso any amin’ny “investiture” na fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena vaovao. Efa niantso ireo kandida fa tokony havadika tolom-bahoaka izy ity ka ny dikan’izay dia ny rehetra no tomponandraikitra amin’ny fitakiana ny firosoana amin’ny ara-dalàna. Ireo nafana fo moa nalahelo hoe tsy nahomby ny tolona. Tsy tonga tany amin’ny fandresena. 1 volana sy tapany teo anefa no nanatontosantsika an’iny tolona iny ka inoana fa mbola hitohy izany raha mbola iray tsy mivaky ireo vondron’ny kandida. Mikasika ny ankehitriny dia apetraky ny lalàna moa ny hoe tsy maintsy mandalo eo anivon’ny parlemantera ny volavolan-dalàna mikasika ny tetibolam-panjakana. Miheritreritra ny hanelanelana ny andaniny sy ankilany ny filohan’ny antenimieram-pirenena. Fantatsika tsara nefa ny toerany. Avy amin’ny antokon’ny fitondrana izy ary manana andraikitra goavana tao. Nahatsapa izy fa tena nitombina ny fitakian’ireo kandida miisa 11. Niova ny fitsokan’ny rivotra eny anivon’ny antenimieram-pirenena vokatr’izany ary mampametra-panontaniana hoe efa mijery ny lalan-kivoahany ve ireo niala tamin’ny fanohanana ny fitondrana? Madiva hifarana rahateo ny fotoam-piasan’ny eny anivon’ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT