Voafatotra tongotra aman-tanana indray i Madagasikara!" Vao maheno hoe frantsay
dia mby an-tsaina avy hatrany ny fanjanahantany, hoy ny antoko politika Herim-bahoaka mitambatra na HBM. Lojika, hoy ny sekretera jeneralin'izy ireo, Lova Andrianjaka, raha milaza i Macron fa tsy maika amin'i Madagasikara izany fiandrianam-pirenena sy resaka nosy manodidina izany satria vono paika no ataony. Ny fahantran'i Madagasikara, araka ny ambarany hoe manjo ny 80%n'ny malagasy mihitsy, no tena tokony hamerenan'ny frantsay ireo nosy ireo, hoy ny HBM. Ny mazava aloha izao dia voafatotra tongotra aman-tanana indray i Madagasikara. Fanjanahantany amin'ny endriny vaovao no mitranga. An'i Madagasikara ny nosy manodidina. Efa voasoratra ao amin'ny firenena mikambana na ONU hatramin'ny 1979 fa nosy malagasy ireo. Izany hoe tsy isika mihitsy no tokony hangataka sy hifampidinika any. Ny fanapahan'ny ONU tamin'ny 1979 no tokony tanterahin'ny frantsay fa tsy izy indray no mametraka hoe amin'ny 30 jona no hifampidinika manaraka. Kely koa ny finoana raha ny ambara fa filoham-pirenena malagasy no hitarika ny fifampidinihana any. Tsy mitombina izany satria olon'ny frantsay ihany izany no hitarika ilay delegasionina. Izay no manamarina ilay hoe voafatotra tongotra aman-tanana ny firenena ka fepetra mifanaraka amin'izany sisa andrasana amin'ny vahoaka malagasy. Fandrebirebena sy vono-paika fotsiny ny firesahana dinika ary fandemen-tsaina ilay hoe fiaraha-mitantana. Mety amin'ny frantsay ve raha iarahan'ny malagasy mitantana aminy i La Réunion? Maninona ny tany an'ny malagasy no tsy maintsy iaraha-mitantana amin'ny frantsay? Avelao ny malagasy hiaina sy handidy amin'ny taniny, hoy hatrany ny HBM!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.