Politique

Antoko politika FTM «Fifanarahana politika andraisan’ny rehetra anjara no vahaolana»


  • Talata 09 Mey 2023

Aoka tsy ho fifanarahana olona miisa 2 na 3 no heverina hitondrana vahaolana eto amin’ity firenena ity, hoy ny antoko politika FTM na Fitiavana ny tanin-janako eto Madagasikara.

Efa samy teo ianareo ary efa samy nitondra fa mbola sahirana ny firenena ary mbola latsaka anaty lavaka lalina, hoy ny filohan’ny antoko, Njaka Andriantsoa. Tsy ianareo no tsy mahay na koa vendrana fa ilay rafitra mipetraka eto no olana, hoy izy. Raha ianareo anefa no andrasana dia tsy hisy fiovana io rafitra io. Vahaolana avy hatrany ny fifanarahana ara-politika tokony ho hitan’ny rehetra ary andraisan’ny rehetra anjara. Fikaonandoham-pirenena no ilaina fa tsy fikaonandohan’olona 3 na antoko 3. Miandry ny mety ho tohiny izahay ary handray fanampahan-kevitra raha tsy misy izany, hoy hatrany ny FTM.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT