Antoko politika Fiombonana

“Vitsy ireo minisitra mety hiala ao”


  • Talata 09 Janoary 2024

Tsy vaovao ny praiminisitra, hoy ny antoko politika Fiombonana,

ary mampametra-panontaniana hoe ahoana no nahafahan’ny filoham-pirenena nametraka azy io ho eo indray? Tena ilay depiote maro an’isa teny amin’ny antenimieram-pirenena ve no nanolotra azy, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Dulrin Rétogniane, sa vondron’olona vitsivitsy manana ny fihariany eto Madagasikara? Miantoka ny maha vaovao ilay praiminisitra ve ny fanendrena azy satria hitantsika fa efa notsipaham-pitokisana io praiminisitra io? Depiote nanolotra azy ihany no nanongana azy tamin’izany fotoana izany nefa dia mbola miverina eny amin’ny primatiora indray izy izao. Hiantoka ny fahalaniana amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly toy ny tamin’ny 2018 ihany ve no tanjona amin’io praiminisitra io? Tsy hiova firy ny mpikambana anatin’io governemanta io, raha ny fahitana azy izao sahady. Hamita iraka ireo olona ireo hoe ahoana no fomba hahazoana maro an’isa anatin’izany andrim-panjakana eny amin’ny antenimiera izany sy hahazoana ben’ny tanàna maro an’isa koa? Isan’ny fanambin’Andriamatoa Andry Rajoelina ny mba hifidianana amin’izay ny lehiben’ny faritra sy mpanolontsaim-paritra. Tsy ho marin-toerana tsinona ny fitondrana ankehitriny raha betsaka ny ben’ny tanàna avy amin’ny mpanohitra satria ireo avy eo no hanana maro an’isa amin’ny mpanolontsain’ny tanàna sy lehiben’ny faritra manerana ny nosy. Tsy misy hetsika hipaka amin’ny sosialy sy toekarena azo antenaina ho any amin’ny vahoaka ao anatin’izany rehetra izany. Vitsy ireo minisitra mety hiala ao. Isan’ny praiminisitra mangina na dia anaty fotoan-tsarotra io praiminisitra io. Tsy nandrenesam-peo mihitsy izy nanoloana ireny ataontsika hoe “festivales des scandales” na fetiben’ireo zava-mamoha henatra nifandimby teto amin’ny firenena ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT