Politique

Antoko politika Fiombonana «Tsy hisy fampandrosoana raha mbola saribakoly no hitondra»


  • Alarobia 14 Jona 2023

Tsy nisy serasera ofisialy nahalalana ny dian’ny filoham-pirenena malagasy tany ivelany fa tamin’ny alalan’ny

tambazotran-tserasera no nahalalan’ny besinimaro izany tamin’ny alalan’ny fanambaran’ny filoham-pirenena frantsay, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane. Serasera avy any am-pitandranomasina izany no nahalalantsika nialoha fa ho any ivelany ny filoham-pirenentsika, hoy izy. Tsy voafaritra mazava koa ny tena anton-diany fa araka ny fantatra dia hoe resaka fifidianana na fanampian’i Lafrantsa izay lafiny izay sy ny fijerena akaiky ny kaompaniam-pitaterana teo aloha ana habakabaka Air Madagascar. Laharam-pahamehantsika eto Madagasikara ny fifidianana ka io izany no tokony himasoantsika kokoa. Mety paikadin’ny fitondram-panjakana koa ilay tsy manisy fanambarana ofisialy noho ny tsy fisian’ilay fijerena lalàna mifehy tetibola asiam-panintsiana na LFR. Tapi-dalan-kaleha amin’ireo vola mbola tsy ampy hahafahan’ny CENI manatanteraka fifidianana tsinona ny fanjakana. Heno fa hanomboka hihetsika amin’ny fiadiana ny tombontsoany amin’izay i Lafrantsa amin’ny alalan’ny famatsiana izany vola izany na «Basket fund». Saika saribakoly daholo anefa ny fitondrana lany vokatr’izay fangatahana famatsiana betsaka amin’ny firenena vahiny izay. Izay no maha sarotiny anay antoko Fiombonana satria tsy hisy fampandrosoana azontsika heritreretina eto raha mbola saribakoly foana no hitondra. Tsy dia mazava amin’ny vahoaka malagasy koa ny dian’ny filohantsika any Genève, Soisa. Misy hifandraisana amin’ny fivoriana an-tampony momba ny asa ve sa tsia? Efa betsaka ny fivoriana natao teto. Isany ireny niarahan’ny mpanao politika sasantsasany tamin’ny FES ireny. Fiaraha-miasa tamin’ny vondrona eoropeanina koa saingy inona no tsy nivoahany tamin’ny fomba ofisialy? Maty momoka satria mbola tsy tsapan’ny be sy ny maro hoe hisy fifidianana ihany ve amin’ity sa tsia? Izany koa no antony tsy ahenoana loatra ilay an’ny FFKM satria sao dia hoe hamoaka fehin-kevitra nefa tsy hisy fifidianana? Ny fitondram-panjakana no tokony hanome daty mazava hoe amin’izao no atao ilay fifidianana. Mandeha foana izao ilay hoe Mihava tour. Matetika adinontsika fa adidin’ny mpanao politika ny manentana ny mpifidy hahay hisafidy mialohan’ny fifidianana atao atsy ho atsy. Tokony hisaorana aza ireny antoko politika sy mpanao politika manao ny adidiny ireny fa tsy hoe manao koa ny TIM dia sakanana. Fihetsiketsehana efa nahazo alalana dia mbola sakanana amin’ny tsy antony. Ny fitondram-panjakana indray izany izao no mila voatsiary amin’ny mpanao politika manao ny adidiny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT