Antoko politika Fiombonana

“Tsy efa ampy ve izay 5 taona namitahana vahoaka izay?”


  • Zoma 22 Septambra 2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Eo angamba no tsara jerena manokana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Tsy azo ekena raha didy navoakan’ny HCC mitondra ho any amin’ny korontana. Hitantsika ny zava-nisy teto amin’ny firenena nanoloana ny fanapahan-kevitr’izany HCC izany. Efa niditra tamin’izany “pacte de responsabilité” na Fifanekena andraikitra izany isika. Lasa lalàna momba raharaha na “jurisprudence” ilay izy izao. Lasa zava-manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara io fanerena ny tsy mety hifanaraka amin’ny lalàna io amin’izao fotoana izao. Lasa raisin’ny mpanao politika ho filamatra izany any aoriana any ary izay io lazaina amin’ny fitenin’ny mpahailalàna hoe “jurisprudence” io. Nisy nanao an’izay teo aloha teo dia lasa fomba fanao ilay izy, hany ka lasa voahitsakitsaka ilay lalàna. Eto dia misy dosiena filoham-pirenena nahavita fotoam-piasana izay lasa kandida izy izao hoe mila jerena ny maha mari-pototra ny sertifika maha olompirenena an’io kandida io. Any no fototry ny olana. Matoa nisalasala ny ankabeazan’ireo mpitsara ireo dia nisy olona mety nifampiraharaha tamin’ny antoko iray ahafahana mamoaka ilay sertifika maha olompirenena malagasy ilay kandida. Mifototra amina zavatra miisa 2 ny lalàna dia na io lalàna manery na lalàna mandrara. Eto izany dia lalàna mandrara ny filoham-pirenena teo aloha tsy hilatsaka satria manana zom-pirenena frantsay izay izy tenany ihany no nangataka izany talohan’ny taona 2014 nefa mbola mpitondra tetezamita. Tsy efa ampy ve izay 5 taona namitahana vahoaka izay? Ny mpitondra fanjakana izao no manakorontana ny firenena amin’ny alalan’ny tsy fanarahan-dalàna maro samihafa ka misy fandrika ao mba hahatonga ny mpanohitra ho tomponandraikitra amin’izay korontana mety hiseho. Aoka mba ho fifidianana lavitry ny korontana. Tadidio fa raha hametraka CES na sampana manokana misahana ny fifidianana isika dia tsy ho vita anaty fotoana fohy. Eo ny maha zava-dehibe ny andraikitra raisin’ireo raiamandreny ara-panahy, izay tsy haintsika na mety ho tonga any. Tsy olana izay rafitra apetratsika eo rehefa eken’ny be sy ny maro, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT