Politique

Antoko politika Fiombonana «Tratran’ny toe-draharaha politika tsy azo ihodivirana intsony isika»


  • Zoma 12 Mey 2023

Tsy fanirian’ny antoko politika Fiombonana ny hisian’ny tetezamita ary efa im-betsaka izahay, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko politika ity, Durlin Retogniane,

no nangataka hoe andao iaraha-manomana rehefa tsy vitan’ny fanjakana ity fifidianana ity. Ny herivelona rehetra hatramin’ny tekinisianina fa tsy voatery mpanao politika, hoy izy, no nantsoinay ombieny ombieny ny mba hisian’izany fikaonandoham-pirenena izany. Tratran’ny «point de non retour» na toe-draharaha politika tsy azo ihodivirana intsony isika izao. Tsy misy vola ahafahana mikarakara fifidianana ny fanjakana ary tsy tanterany ny filan’ireo mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka hikarakarana ilay fifidianana. Antony mampialangalana azy ireo amin’ny alalan’ny vondrona eoropeanina tsy hamatsy fifidianana izany. Efa nambara mihitsy tamin’ny taon-dasa fa tsy ampy ny tetibola tao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola na LFI ahafahantsika mikarakara izany fifidianana izany. Amin’ity indray mitoraka ity toa efa nandefa sorabola indray ny CENI fa mahatratra hatramin’ny 140 miliara Ariary ny vola tadiaviny tao anaty tetibola nasiam-panitsiana na LFR. Izay no mahatonga antsika na dia tsy ankasitrahan’ny vahoaka malagasy aza tsy maintsy mankany amin’ny lalan’ny tetezamita. Tokony hiteny ny fitondram-panjakana hoe tsy misy fifidianana isika amin’ity taona ity noho ireto antony ireto. Efa mandeha ny resaka fa hidinika ireo filoham-pirenena miisa 3 ka maninona moa raha mba manao fanehoan-kevitra amin’ny haino aman-jery mikasika ilay zava-misy izy ireo? Iza no hitondra ilay tetezamita amin’ireo filoham-pirenena miisa 3 samy mbola velona ary samy manana ny antokony sy samy manana ny tanjany ireo? Tsy maintsy hiady hitondra an’io tsinona izany zareo ahafahany mijery ny tombontsoa manokan’izy ireo fotsiny. Mbola baraingo koa anefa hoe haharitra afiriana ilay tetezamita satria raha mbola ho 5 taona indray dia tsy ho zakan’ny toekarentsika sy ny vahoaka malagasy. Ampy ve ny 2 taona satria tsy misy dikany ny hoe avy nanao tetezamita nefa avy eo hiaina krizy aorian’ny fifidianana indray? Firenena iaraha-manana ity ka tokony hifampidinika an-databatra boribory hijery izay hahasoa ity firenena ity ny mpisehatra politika rehetra, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana, nanatitrantitra.
J. Mirija
Legende : Durlin Retogniane
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT