Antoko politika Fiombonana

«Ny rafitra no mety tsy niova fa ny olona afaka manova famindra»


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tsy mbola niova ny fahitan’ny antoko politika Fiombonana ny fifidianana eto Madagasikara,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Efa nanaitra foana izahay, hoy izy, mikasika ny tokony hijerena akaiky io dingana mikasika ny fifidianana na «processus électoral» io. Misy ny fanenjehana ireo kandida nandrotsaka ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka. Nitranga izany tany amin’ny distrikan’i Nosy be Hell ville. Hita koa izay tany amin’ny distrikan’i Vangahindrano. Tranga faharoa naneho fa mbola tsy milamina ny dingana dia eo amin’ny fanangonana ireo antotan-taratasy maro samihafa ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana solombavambahoaka izay. Hitantsika fa nitaraina koa ny kandida iray ao amin’ny distrikan’Antanifotsy fa hatramin’izao dia mbola mananosarotra ho azy ny mahazo ilay «Etat 211 bis» na fahazoan-dalana ka nametrahany fitarainana eny anivon’ny CENI, izay andrasana moa ny valin’izany. Izany rehetra izany midika fa tsy tena an-kalalahana ny fandraisana anjaran’ny rehetra manam-piniavana handray anjara biriky amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity. Mampametra-panontaniana ihany satria tanjon’ny fitondrana ny hametraka maro an’isa eny anivon’ny antenimieram-pirenena. Amin’ny alalan’ny fanakatsakanana ny hafa ve izany no hametrahana ny tarigetra tsy maintsy azo ny maro an’isa? Nampitaraina solombavambahoaka am-perin’asa koa ny teritery mahazo ireo sefo fokontany mikasika ny filatsahan-kofidiana ao amin’ny boriboritany faha 4. Manambara izany rehetra izany fa anaty tsy filaminana mialohan’ny fifidianana isika izao. Mampitaraina ireo antoko politika sy mpisehatra politika ary ireo kandida izay mikasa hirotsaka ho fidiana solombavambahoaka izany. Manaitra ny fitondram-panjakana hoe aoka re tsy ho mialohan’izao fifidianana izao no hisian’ny tranga samihafa tsy hiteraka filaminana mialohan’ny fifidianana izay. Eo koa ireo ambaratongam-pahefana miandraikitra ity fifidianana ity dia ny CENI sy HCC izay antsoina mba hijoro amin’ny fahitsiana ka hijoro ho an’ny vahoaka sy ho amin’ny fampanarahan-dalàna amin’ny tranga miseho rehetra. Ny rafitra no mety tsy niova fa ny olona afaka manova famindra hampanjaka ny fahamarinana, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT