Antoko politika Fiombonana

«Ny fianakaviambe iraisam-pirenena aza mahatsapa hoe misy tsy mety»


  • Zoma 21 Jona 2024

Efa hitan’ny sehatra iraisampirenena ny tsy fahatomombanan’ny zotram-pifidianana teto Madagasikara,

hoy ny antoko politika Fiombonana. Izay, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no nahatonga ny vondrona iraisampirenena nitaky foana tamin’ny fitondrana hoe ahoana no fomba hahafahana manatsara ilay zotram-pifidianana? Ny fomba fikarakarana ny fifidianana sy ny fanatanterahana azy no tiana resahina amin’izany. Tafiditra ao ny mialoha sy mandritr’ilay fifidianana mba hahafahantsika misoroka ilay savorovoro aorian’ny fifidianana na «crise postélectorale». Ny fianakaviambe iraisampirenena aza mahatsapa hoe misy zavatra tsy mety anatin’ireo lalàna sy ny fikarakarana ilay fifidianana. Ahoana ary no tsy hahatsapantsika, indrindra, ry zareo eo amin’ny fitondrana, fa tokony ilaina izay zavatra izay. Amintsika miteny izao, noho izay tsy fihainoana, na io eo amintsika samy malagasy, na ireo fepetra sy fitakiana nataon’ireo vondrona iraisampirenena izay no mahatonga antsika amin’izao fotoana izao maheno fa misavovona ny fitoriana eny anivon’ny HCC mahakasika ireo tsy fanarahan-dalàna, na io mialoha ilay fampielezankevitra, na nandritr’izany, eny fa nandritry ny androm-pifidianana. Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe anaty azo atokisana na «crédibilité» tanteraka ve izao ilay Fitsarana avo hamoaka voka-pifidianana? Sao sanatrian’ny vava hiahiahy izay vokatra avoakan’ny HCC eo ireo kandida izay nahatsapa tena fa tena nisy ireo fandikan-dalàna maro samihafa? Aza adino fa ny HCC izany dia tsy misy hiantsapazana hafa intsony. Io no tompon-teny farany amin’ny resaka fiazonana ny lalàmpanorenana na koa hoe mpanara-maso ireo fandikan-dalàna samihafa misy eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT