Antoko politika Fiombonana

“Misy tsy milamina ao matoa tonga ny SADC”


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Tsy afaka hilaza hatreto ny antoko politika Fiombonana fa tomombana ny fifidianana na dia niteny aza ny CENI

hoe ny 30%n’ny kara-pifidianana no efa voazara manerana ny nosy. Tsy ny fizarana kara-pifidianana, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, no maha maika fa ilay kara-pifidianana zaraina ve tsy misy hosoka? Betsaka ny kara-pifidianana nampimenomenona ny olona, hoy izy. Olompirenena iray misy manana kara-pifidianana miisa 3. Misy olona efa maty no manana karatry ny mpifidy. Tsy hitondra filaminana mihitsy izany mialoha izao fifidianana izao ka miangavy ny tomponandraikitra mahefa rehetra mba hijery tsara ny fandehan’ity fifidianana ity. Tsy ny fihazakazahana no tena zava-dehibe fa na mandeha mora sy am-pilaminana aza isika ka anatin’ny fahamarinana dia izay no tena zava-dehibe. Izay no mahatonga ny firaisankinan’ny kandida miisa 11 mitaky ny fahamarinana ao anatin’ny zavatra rehetra mialohan’izao fifidianana izao. Marina daholo ny fitakian’ireo kandida 11 ireo! Tsy misy tanteraka izao ny fanjakana tan-dalàna. Manao izay danin’ny kibony ny antoko eo amin’ny fitondrana. Eo ihany koa fisaraham-pahefana izay tsy voahaja mihitsy. Tsy hita tanteraka ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Misy tsindry tao matoa nivoaka ireny sertifika maha olompirenena ireny. Mitanila ny fitantanan-draharaham-panjakana satria hita amin’izao fotoana izao fa misy tomponandraiki-panjakana midina an-tsehatra mihitsy manana fampihelezankevitra ny kandida laharana faha 3. Tsy azo ekena izany satria tsy hampilamina ny zotram-pifidianana. Matoa mbola tonga amin’ity herinandro ity ny iraky ny SADC dia misy tsy fahatomombanana ao. Hitantsika ny fanambaran’ireo masoivoho sasantsasany miasa eto amintsika. Tokony tonga saina ny governemanta, ny CENI, ny HCC, ireo minisitera voakasika fa misy tsy milamina ao ka tokony hijerena vahaolana, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT