Politique

Antoko politika Fiombonana «Misy kandida atahorana dia itadiavana atsanga tsy aman’orana»


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Hihazakazaka amin’izay ny raharaham-pirenena, indrindra, ny lafiny politika, hoy ny antoko politika Fiombonana,

satria aza adino fa amin’ny volana may io isika dia hiatrika izany fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimiera roa tonta izany. Azo lazaina hoe hangotrangotraka, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Durlin Retogniane, ny zavatra hitranga eny anivon’ireo parlemanta, indrindra, ny antenimieram-pirenena. Hitantsika ireny solombavambahoaka nifindra lasy ireny. Eo koa ny depiote iray voafidy tany Ihosy izay atao hoe misabaka ihany satria nitsofoka any amin’ilay depiote iray manao fitetezam-paritra dia avy eo tratran’ny fanontaniana tampoka avy amin’ny tompon’ny fanamiana nisalorany naha lany azy angamba dia niova fiteny indray hoe mbola manohana ilay fitondrana ankehitriny. Ireny mety mitaky fametrahana amin’ny laoniny ny toe-draharaha eny amin’ny antenimieram-pirenena daholo. Aza adino fa misy koa ny raharaha mahakasika ny filohan’ny antenimieram-pirenena izay naha be resaka ny maro. Tsy azo odian-tsy hita ireny. Ho hita eo koa ny feon’ireo solombavambahoaka nilaza fa hanatitra ny filoham-pirenena eny amin’ny toeram-pahatongavana na «ligne d’arrivée». Eo koa ny fifandresen-dahatra eo amin’ny samy antoko politika mikasika ny amin’ny mbola tokony hanohanana na tsia izao fitondrana izao. Mbola hisy tohiny koa ireny fihaonana tamin’ny CENI teny amin’ny Novotel ireny ary santatr’izany angamba ny nambaran’ny Mgr Tsarahazana. Misy kandida atahorana dia itadiavana atsanga tsy aman’orana amin’ny alalan’ireo antsoina hoe lalàna. Misy antoko politika tsotra fa tsy an’ny fanjakana tahaka ny Freedom nefa izao avela malalaka, ohatra. Rehefa miaraka amin’ny fitondrana ve dia tsy ampiharana lalàna fa rehefa hafa dia avoaka ity karazana didim-panjakana sy didim-pitondrana rehetra ity? Tsy fanadino anefa ny tantara ary niaraha-nahita ireny hetsiky ny depiote 73 teo amin’ny kianjan’ny 13 mey tamin’ny taona 2018 ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT