Politique

Antoko politika Fiombonana “Maika ny famahana ny olan’ny vidim-piainana”


  • Zoma 24 Febroary 2023

Naneho fiaraha-miory tamin’ireo distrika maromaro nandalovan’ny rivodoza Freddy teo amin’ny firenena ny antoko politika Fiombonana.

Etsy ankilany, manoloana ny fanovana governemanta kosa dia nohamarinin’ity antoko ity fa governemanta entina hamarana ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny io nasiam-panovana farany teo io. Mpanaradia sy mahatoky azy sady efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena no notendrena, hoy ny antoko. Ho an’ny antoko Fiombonana dia ny famahana haingana ny fidangan’izao vidim-piainana izao, ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy, ny fahasimban’ny lalana, ny fandrindrana ny asam-panjakana rehetra ho lavitry ny kolikoly sy ny kiantranoantrano ary ny fiarovana ny harem-pirenena izao no tokony ho vaindohan-draharaha. Eo koa ny fanadiovana ny tontolom-pifidianana mba ho madio sy mangaraharaha, izay efa handrandrain’ny antoko fatratra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT