Antoko politika Fiombonana

«Lasibatra foana ity fifidianana ben’ny tanàna ity!»


  • Talata 13 Aogositra 2024

Efa nambaranay hatrany am-boalohany, hoy ny antoko politika Fiombonana,

 fa tsy tao anaty fangaraharahana sy tao anaty tsy fahatomombanana no nanatontosantsika ireo fifidianana natao teto amin’ny firenena. Tsy tamin’izao fifidianana izao ihany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, fa na tamin’ny fitondrana teo aloha aza. Ny fitondrana ankehitriny dia lasa manohy an’izay azo lazaina hoe «Jurisprudence» na fandikan-dalàna ifandovana izay. Ataony amin’ny kajikajiny ilay fifidianana satria ny hahazoana maro an’isa no tanjona. Raha hiresaka ny fifidianana ben’ny tanàna izay novinaniana ho tontosaina ny 9 novambra isika dia lasa nahemotra ny 11 desambra izany. Efa nakàna ny hevitry ny filan-kevi-panjakana izany. Daty izay ao anaty fotoam-pahavaratra tanteraka nefa. Tsy azontsika atao mihitsy ny manao izany fifidianana anaty fotoam-pahavaratra izany satria voasoratra anaty lalàna ny tsy tokony hanaovana izany. Ny fanerena hanaovana fifidianana ny 11 desambra izao, noho izany, dia misy kajikajy politika no fahitanay azy. Raha ho tanteraka aza izany, mbola tsy nivoaka hatreto ny didim-panjakana ahafahana manatanteraka fifidianana amin’io daty io izany. Tena manana ny enti-manana rehetra ve isika ahafahantsika miroso amin’izany fifidianana izany sa ohatran’ny fomba taloha hitantsika tamin’ireny fifidianana solombavambahoaka ireny ihany? Sahirana isika tamin’ny enti-manana tamin’ireny nefa ankehitriny kaominina manodidina 1700 isa mahery no hiatrika izany fifidianana ben’ny tanàna izany ary lesona tokony ho tsoahintsika dia hoe lasibatra foana ity fifidianana ben’ny tanàna ity satria tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna teo aloha izao dia nisy kaominina miisa 20 teo no tsy nahitana ben’ny tanàna mihitsy mandra-pahatapitry ny fotoam-piasan’ireo ben’ny tanàna ireo! Ny antony dia tsy tsara fiomanana isika ao anatin’ilay fifidianana ka amin’ity indray mitoraka ity dia antenaina fa ho tanteraka soa aman-tsara ny fifidianana izay teren’ny lalàna rahateo. Raha ny tena tokony ho izy tsinona dia alohan’ny fifidianana solombavambahoaka no nanatontosantsika ny fifidianana kaominaly. Noho ny kajikajy politika koa izany dia lasa ny fifidianana solombavambahoaka no nalefa aloha. Ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna tany amin’ny 10 janoary tany no lany, izany hoe, raha ampitahaina dia lany talohan’ny an’ireo solombavambahoaka. Ny an’ny solombavambahoaka taty amin’ny volana jolay ka inona izany no nanakana antsika tsy nanao fifidianana ben’ny tanàna aloha? Aoka ho atao anaty mangarahara ny fifidianana ben’ny tanàna ary atao am-pahamatorana fa tsy atao mandroso mihemotra, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT