Politique

Antoko politika Fiombonana “Fifidianana no tanjona fa tsy fividianana olona ”


  • Talata 13 Septambra 2022

Samy miezaka miseho izao ny mpanohitra sy ny eo anivon’ny fitondrana, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Ny tokony imasoana foana aminay na inona na inona fampisehoan-kerin’ny andaniny sy ankilany dia izay mahasoa ny vahoaka, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Mahakasika ny RN5 A izay lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohemar dia fifanarahana efa ela io tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Izao fitondrana izao, ho fanajana ny fitohizan’asam-panjakana, no nahatonga ilay izy ho vita ankehitriny ka ireharehan’izao fitondrana izao. Azo atao ny mirehareha fa raha ny fizahozahoana hoe ianao no angady nananana sy vy nahitana ny fahavitana ilay lalam-pirenena RN5 A kosa dia tsy filazana ny marina amin’ny vahoaka malagasy izany. Mila ovana izany fomba fanao politika izany raha te handroso isika eto Madagasikara. Zavatra tsy tokony hireharehana ireny satria fijerena ny mahasoa vahoaka no antony itondrana. Anjaran’ny vahoaka no mitsara. Hiatrika fifidianana isika amin’ny 2023. Ilaina ny fanadiovana ny lisi-pifidianana. Eo koa ny fandrafetana hatramin’ny voalohany izany na “refonte”, izay nambaran’ny masoivoho eoropeanina vaovao, Isabelle Delatre, sy ny iraka manokan’izy ireo hanara-maso ny fifidianana tamin’ny alalan’ny mpikamban’ny antenimiera eoropeanina. Matoa misy ireny fitakiana ireny dia misy tsy mety tokony alamina ao. Izay no mahatonga anay hiaraka amin’ny vondron’ny mpanohitra mikasika ilay fikaonan-doham-pirenena mba hiompana bebe kokoa amin’ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023. Hiatrika fivoriana ara-potoana faharoa koa ny parlemanta amin’ny talata fahatelon’ny volana oktobra, araka ny voalazan’ny lalampanorenana ao amin’ny andininy faha 70. Tokony atao anaty tetiandro koa ny fandinihana ny tokony ho loharanom-bolan’ny propagandin’ny kandida tsirairay satria 60 andro ireo no mivory, hoy hatrany ny Fiombonana, mba ho fifidianana olona fa tsy fividianana olona no tanjona.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT