Politique

Antoko politika Fiombonana “Aza fitahana ny vahoaka!”


  • Zoma 31 Martsa 2023

Aoka tsy ho fitahana ny vahoaka malagasy, hoy ny antoko politika Fiombonana. Avoahay ny daty rehefa hatao ny fifidianana,

hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane. Efa nanome sosokevitra momba ny daty ny CENI dia nankany amin’ny HCC. Inona no andrasan’ny governemanta tsy amoahana ilay daty? Arangarangan-drizareo moa ilay hoe 90 andro mialohan’ilay tolo-kevitry ny CENI no amoahana ny daty. Midika tsy fisiana mangarahara izany. Ahafahan’ny rehetra mivonona dia avoahay ilay daty dia samy mihetsiketsika ny rehetra. Rehefa tsy vonona isika dia aoka hilaza koa ny fitondram-panjakana hoe tsy vonona na tsy ho raikitra ny fifidianana satria tsy misy vola na koa hoe tsy ampy ny fanampiana avy any amin’ny mpiara-miombon’antoka. Tadidio fa tsy fifidianana filoham-pirenena ihany koa no tokony hatrehana amin’ity taona ity fa mbola mialohan’izay aza ny kaominaly fa tsy misy miresaka mihitsy. Aza fitahana ny vahoaka! Afaka mamitaka mpanao politika ianareo. Ny vahoaka malagasy no lasa lasibatr’ilay izy. Rebirebena hijery anarana anaty lisitra nefa avy eo tsy hisy fifidianana akory. Hatramin’ny daty mbola iandrasan’ny CENI ny hevitry ny governemanta. Izay no mahatonga ny fiarahamonim-pirenena sy antoko politika maro te handrava an’io CENI sy HCC io. Arakaraky ny hirosoantsika amin’ny datim-pifidianana no mahatonga famoronana zavatra maro. Mety amin’ny fotoana hilazan’ny filoham-pirenena fa hilatsaka ho filoham-pirenena fa hilatsaka ho fidiana izy no haka ny toerany na “position” koa ireo solombavambahoaka IRD izay nilaza fa hanatitra azy hatreny amin’ny “ligne d’arrivée” na fahatongavana ireo satria izay hatreo amin’izay fotoana izay no teboka farany ho an’ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny, hoy hatrany ny nambaran’ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
Legende: Ny sekretera jeneralin’ny Fiombonana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT