Antoko politika Fiombonana

«Ataovy hatramin’ny farany ilay fanamboaran-dalana!»


  • Talata 22 Oktobra 2024

Tsy zava-baovao ny fihetsiketsehan’ny mpanao politika mialohan’ny fampielezan-kevitra tahaka izao,

hoy ny antoko politika Fiombonana. Efa fomba fanao ilay izy, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane. Mila fahatongavan-tsaina ny vahoaka malagasy no dikan’izay amin’ilay fahazaran-dratsy ataon’ny mpanao politika, hoy izy. Hitantsika fa tena sahirana izao ny olona amin’ny resaka familiana lalana na «déviation» maro isan-karazany izay aterak’ilay fanamboaran-dalana, izay fihetsiketsehana ataon’ilay fitondram-panjakana, indrindra, ireo kandidan’ny fitondrana. Tsy azo andrefesana ny vinan’ny kandidà na iza izy na iza ny zavatra mandalo na «ponctuel» toy ireny. Samy manao daholo moa na ny an’ny fitondrana na fanoherana amin’ny alalan’ny fizarazarana etsy, fanadiovan-dalana eroa, tolotolotra atsy sy ny tahaka an’izay. Mila mitandrina, noho izany, ny vahoaka malagasy manoloana ny famakiana na «lecture» amin’ny ataon’ny mpanao politika, indrindra, ireo kandida amin’ny fiatrehana ny fifidianana ho atrehintsika ny 11 desambra izao. Aminay dia lasa fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» ny fihetsiketsehana toy ireny satria lasa variana any fa tsy amin’ny fitondrana vahaolana maharitra amin’izay maharary ny vahoaka ireo fihetsiketsehana madinidinika ataon’ny kandida. Betsaka ny olana fototra eto amin’ny firenena. anisan’izany ity resaka tsy fahampian-drano ity. Io fahatapahan’ny herinaratra io! Eo koa ny fahapotehan’ny lalana. Tsy eto Antananarivo tompoko ny lalana! Inona moa no vokatra eto Antananarivo ka mampifantoka ny fitondrana amin’ny fanamboarana eto Antananarivo? Ny tena lalana iankinan’ny toekarena malagasy dia ireo lalam-pirenena. Isany, ohatra, ny lalam-pirenena faha 7 na RN 7. Mba hitantsika ve ny fanamboaran-dalana manamorona an’iny RN 7 iny? Mba misy fanamboaran-dalana ve amin’iny RN 4 iny? Toy izany koa ny RN 6 sy ny rehetra? Ataovy hatramin’ny farany ilay fanamboaran-dalana raha misy fa tsy hoe anaty fotoam-pifidianana fotsiny no hanombohanao ilay asa dia rehefa tapitra ny fifidianana dia miditra an-dakazerina hatramin’ireo fitaovana! Mila mandanjalanja izany ny mpifidy hoe ho avy ny fifidianana dia olona toy ny ahoana no mendrika apetraka amin’izany toeran’ny ben’ny tanàna izany? Aza adino fa fifidianana tena manakaiky vahoaka ity, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT