Antoko politika Fiombonana

«Ankatoavinay ny ampamoaka mankany amin’ny tombontsoam-bahoaka!»


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Ilaina ny ampamoaka, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika Fiombonana, Durlin Retogniane,

satria ao anatin’ny fahamarinana no ahafahantsika mampandroso ny firenena. Tsy ampamoaka no anarany, hoy izy, raha zavatra diso no avoaka. Zavatra marina no maha ampamoaka ny ampamoaka ka raha toa ka marina ny zavatra avoaka dia miroso kokoa any amin’ny fanaovana politika amin’ny tokony ho izy isika. Lasa ratsy endrika ny tontolo politika misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao noho ilay «opacité» na manjavozavo. Lasa tsy fantatra mazava daholo ny zava-mitranga manomboka any amin’ny rafitra fara-tampony na ny fitondram-panjakàna hatrany amin’ny rafitra farany ambany. Saika maizina sy tsy mazava amin’ny vahoaka daholo. Ny ampamoaka toy izay nataona kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo ankehitriny dia ankatoavina raha ohatra ka tena mitombina marina ary mankany amin’izay tombontsoam-bahoaka izay! Raha ohatra ka lasa «Deal politique» na hoe fifanarahana politika fotsiny ilay izy entina hanakorontanana saim-bahoaka mba hahazoana vato dia izay no tsy azo ekena. Rehefa mizotra mankany amin’ny tombontsoam-bahoaka kosa izany dia ankasitrahanay, indrindra, izahay avy ato anatin’ny antoko Fiombonana. Izay no mahafehy ny teny filamatray hoe «Hetsika sy asa ao anatin’ny fahamarinana, mihaino sy mampandroso vahoaka!». Ny fahamarinana dia ao anatin’ny fanaovana ampamoaka ny zavatra tsy mety eto amin’ny firenena. Ankasitrahanay izany ary isaorana ilay kandidà fa ilaina ny toy izany mba hahafahan’ireo vahoaka ireo, rehefa tonga ny fifidianana, mamakafaka tsara sy mahazo ny ilaina amin’ireo vaovao tsara ho fantatra momba izay kandida ho fidiany na tsy ho fidiany, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT