Antoko politika Fiombonana

«Anjaran’ny CENI no maka toerana tsy hisian’ny korontana eto»


  • Zoma 07 Jona 2024

Fomba fanao politika nisy tany aloha teo amin’ny tantaran’i Madagasikara no mbola hita hikirakirana

ny voka-pifidianana ankehitriny, hoy ny antoko politika Fiombonana. Tsy mipetraka amin’ny maha mahaleotena azy ny CENI fa misy foana ilay tsindry na «influence» na koa hoe « main invisible d’une personne», izany hoe tanana tsy fantatra any ambadimbadika any tsy hitan’ny mpanara-baovao, hany ka lasa manova ny vokatra tena izy hita teny ifotony, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Durlin Retogniane. Izay no hanairana ny tomponandraikitra anivon’ny CENI amin’izao fotoana izao satria raha izay no tantara nisy teo anivon’ny fifidianana teto Madagasikara dia azon’ny CENI atao tsara ny maka lesona tamin’ireo fifidianana nisy teo aloha. Azony atao tsara ny manome maodely tsara izay handimby toerana azy. Hitantsika fa mifampiampanga ny andaniny sy ankilany. Manome tsiny ny kandidan’ny vovonana Firaisankina ny kandidan’ny vovonana IRMAR. Ny avy any amin’ny Firaisankina koa manome tsiny ny vovonana avy amin’ny fitondrana. Very tanteraka manoloana ny mety ho vokatra vonjimaika ho avoakan’ny CENI izany ny mpanara-baovao. Anjaran’ny CENI, noho izany, no maka toerana na «position» tsy hisian’ny korontana eto Madagasikara. Tokony hijoro amin’ny maha rafitra andrin’ny lalàmpanorenana koa ny HCC satria mety betsaka ny andininy voahitsakitsaka ao amin’ny lalàmpanorenana. Tokony hijery izany amin’ny fo tsy miangatra ny HCC. Rehefa ny tombontsoam-pirenena no jeren’ny HCC dia tokony hampandeferina ny fitiavan-tena manokana, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT