Antoko politika Fiombonana

«Anatra ho antsika vahoaka amin’ny fifidianana hoavy ireny!»


  • Zoma 12 Jolay 2024

Matoa taraiky toy io ny fametrahana izay ho filohan’ny antenimieram-pirenena,

hoy ny antoko politika Fiombonana, na dia hita fa manana ny maro an’isa aza ireo depiote avy amin’ny antokon’ny fitondrana, ampian’ireto tsy miankina tosika dia misy adivarotra politika ao ambadikany. Izay adivarotra ao anatiny izay, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, dia tsy ho aty amin’ny fanoherana mihitsy fa ry zareo ao anatiny miaraka amin’ny fitondrana no misy karazana fanerena na «lobbying» hoe iza no tokony ho hapetraka ho filohan’izany andrim-panjakana izany? Ny ao ambadiky ny fanambarana nataon’ireny depiote tsy miankina ireny dia tsy mandehandeha ho azy. Azo lazaina fa misy «patron» na mpampiasa koa ao ambadika ao. Misy «patron» miaraka amin’ny IRMAR. Misy «patron» koa ireo solombavambahoaka izay milaza azy ho tsy miankina nefa manohana ny fitondrana. Eo koa ireo solombavambahoaka izay milaza azy ho manohana ny fitondrana. Eo amin’izay andaniny sy ankilany izay no mipetraka ilay adivarotra amin’ny fanendrena ilay ho filohan’ny antenimieram-pirenena. Tokony hisy mason-tsivana nefa satria hitantsika fa ny ery amin’ny antenimierandoholona efa lehilahy. Aty amin’ny primatiora mbola tsy fantatra satria izay manana ny maro an’isa koa no manolotra an’izay. Aoka isika tsy handainga amin’ny vahoaka! Aza adino fa rehefa amin’ny fotoam-pifidianana toy ireny dia manambitamby vahoaka ny mpanao politika. Rehefa vita ny fifidianana dia hita fa tsy mikatsaka tombontsoam-bahoaka ny olona voafidy. Mainka moa fa olona tendrena. Tsy hifampihatsara ivelatsihy eto isika amin’ny resaka fanaovana politika fa tsy misy politika madio eto amin’ny resaka fifidianana. Azo lazaina ho namita-bahoaka ihany izany ireo depiote IRMAR sy tsy miankina satria andro vitsy taorian’ny famoahan’ny HCC ilay vokam-pifidianana, mbola tsy niaka-dapa akory ireo solombavambahoaka tsy miankina dia efa nilaza fa hanohana ny fitondrana. Nisy tanana nanolotra zavatra no dikan’izay tamin’ny filatsahan-kofidian’ireto depiote tsy miankina ireto ary misy vava manainga azy ireo hanao fanambarana mialohan’ny hiakarana ny lapa. Fa maninona no tsy taorian’ny fitsanganan’ny birao maharitra no natao ilay fanambarana? Mbola tsy niaka-dapa dia efa nandaka ny vahoaka nifidy azy ireo tsy miankina. Anatra ho antsika vahoaka amin’ny fifidianana hoavy ireny, hoy hatrany ny antoko politika Fiombonana, mba tsy haha voafitaka intsony amin’ny manaraka!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT