Antoko politika Fihavanantsika

“Ho avy ny fotoana hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny eto!”


  • Alakamisy 02 Novambra 2023

Tontosa ny Alahady teo ny fotoam-bavaka fiombonam-po amin’ny malagasy izay nanasan’ny fikambanana An’i Kristy

sy ny antoko politika Fihavanantsika ireo kandida miisa 13, ny fitondram-panjakana, ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena. Ny fitondrana am-bavaka ny malagasy rehetra ho any amin’ny fibebahana, ny fifamelana, fihavanana ary indrindra ny hisian’ny fifidianana marina sy mangarahara ary madio sy eken’ny rehetra, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, ny kandida ho filoham-pirenena, Lalaina Ratsirahonana, no natao. Tanjona ny tsy hahatafiditra ny malagasy anaty fifandonana, hoy izy. Malagasy mifankatia sy miray hina hampandroso ity firenena ity no ilaina ary izay no anton’ny antsonay hoe andao hifamela isika! Andao hihavana! Izay no anton’ny hoe andao hiresaka sy hifampihaona! Kristy no fihavanantsika! Tany no natononay voalohany, noho izany, ary mino izahay fa ho henoin’Andriamanitra ny vavaka nasandratra ary mino izahay fa ho avy ny fotoana hanehoan’Andriamanitra ny voninahiny eto amin’ity firenena ity! Mbola manokatra ny varavarany koa moa ny FFKM. Malagasy miray hina no hampandroso ny firenena, hoy hatrany ny antoko politika Fihavanantsika.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT