Politique

Antoko politika Fanare «Tokony hanasonia fifanekena ny mpanao politika»


  • Alarobia 12 Aprily 2023

Mila tanterahana ny fifidianana lalàmpanorenana, hoy ny antoko politika Fanare. Tsy fitsapan-kevi-bahoaka io, hoy ny filohan’izy ireo, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis,

fa tena fifidianana lalàna dia izay lalàna maharesy no ho entina hatao fitsipi-dalao hitondrana koa ny fifidianana. Marina fa tsy anjaran’ny mpitondra fivavahana ny miteny amin’ny mpitondra fanjakana hoe mialà ianareo! Na Jesoa Kristy aza niteny hoe omeo an’i Kaisara izay an’i Kaisara nefa ny raomanina tamin’izany mpanjanaka. Manaraka ny tenin’ny lehibeny ny mpitondra fivavahana matoa tsy manongam-panjakana fa izaho tenako kosa raha mahazo fitondrana dia tsy mampaninona ahy ny miala rehefa ho tenenin’ny FFKM hoe mialà raha ohatra ka tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny ataoko. Amin’io fikaonandoham-pirenena ho tarihin’ny FFKM io dia tokony hanasonia fifanekena ny mpanao politika sy antoko politika rehetra hoe «Hanaiky hiala izahay rehefa asain’ny FFKM miala». Mitady fikaonandoha andraisan’ny rehetra anjara ny vondrona iraisampirenena. Ny Rodoben’ny mpanohitra kosa dia hoe rehefa tsy hanao ny fitondrana dia ho ataonay. Miandry isika, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT