Mahazo mizaka zom-pirenena maro ny olona, hoy ny antoko politika Fanare! Rehefa filoham-pirenena ianao, hoy ny filohan’izy ireo, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis,
ka misy ny ataon’ny vahiny hoe «conflit d’intérêt» na ady tombontsoa toy ny fangatahan’ny malagasy ny hamerenana ireo nosy manodidina na «iles éparses», ianao sady malagasy no vazaha, dia iza izany no hombanao, ilay malagasy sa vazaha? Aza manao loa-bary mitahy vady, hoy ny fitenin-drazantsika. Mandoatra vary ianao dia eo ny vadinao, eo ny olon-kafa. Ilay mitahy vady hoe tokony ataonao zara-mitombo ny fizarana amin’ny vady satria vadinao io. Very koa izany ny anjaranao amin’ireo nosy manodidina satria ianao vazaha. Tsy mety ny mandidy sady omana. Fototry ny fiarahamonina rehetra izany na politika na hafa. «Juge et parti» izao ny filoham-pirenena eto Madagasikara amin’ny resaka fitakiana ireo nosy manodidina. Tokony ho averina amin’ny malagasy ny nosy manodidina nefa ianao frantsay. Rano raraka moa io. Inona intsony moa no tadiavinareo mpitondra? Be dia be ny lalàmpanorenana efa nodikaina. Aminay Fanare dia nihinam-bola amin’ny tsy marina ianareo. Efa voky vola, voky fananana ianareo rehetra io. Aiza ka governora ve tsy fidiana? Efa voky ianareo ireo fa tsy mba mahatsiaro ny malagasy. Ho anay Fanare dia ny fialanan’ireo mpitondra ireo am-panajana no vahaolana hisorohana gidragidra, hoy hatrany ny Fanare.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.