Miankina amin’ny fahaiza-manao zavatra ny fampandrosoana,
hoy ny antoko politika Fanare. Isany, hoy ny filohan’izy ireo, Randrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis, ny fanamboarana sy famoronana. Hamaivanina ny tekinisianina eto amintsika, hoy izy. Tekinika avokoa nefa ny zava-drehetra. Any an-dafy izao misy toeram-pampiofanana mpitsikilo na «détective» dia inona moa no olana raha maheno isika eto hoe misy mpandraharaha mampiofana mpiandraikitra fiarovana manokana? Anjaran’ny fanjakàna no manao an’io tsy hifaninana amin’ny tafika malagasy. Matoa ny olona manangana an’ireny dia ilainy satria be dia be izao ny mpangalatra. Vao haingana tato amin’ny fianakaviana no nisy nangalatra solosaina ny mpiasa. Hatramin’izao tsy fantatra hoe nankaiza ilay solosaina? Manjaka ny dahalo any ambanivohitra, tsy mahavita mamaha ny olana hatramin’izao ny fanjakàna. Ho an’ny antoko Fanare dia tena ilaina ny olona mahavita zavatra. Ny tompon’ny gazety Tia tanindrazana izao ohatra manana oniversite mampianatra informatika ary tena mahavita zavatra ny mpianatra mivoaka ao. Na mpanohitra no tompony na mpanohana, rehefa manao zavatra dia ilaina. Aoka kosa nefa isika hifamelona fa tsy hifamono! Ny olona manao zavatra no ilaina eto! Be dia be ny malagasy tokony hahavita zavatra eto. Isika tompon-tany eto indray no tsy afaka manao ny ilaina eto. Mila mifamelona ny mpandraharaha malagasy fa tsy mifamono. Tadidiko tsara ny nambaran’ny mpampianatra toekarena, Emilie Léonard, anay hoe tsy tokony hamono ny entana fanondrana anatiny ny entana avy any ivelany. Maninona no vonoina ny «Savonnerie tropicale»? Ny filoha frantsay teo aloha, François Mittérand, sosialista, fa rehefa mankany Chine dia entiny daholo rehefa mpandraharaha ao Frantsa fa tsy ijereny hoe kapitalista ity sa sosialista mitovy amiko? Ny toekarena no herin’ny fampandrosoana. Rehefa afaka manangana orinasa be dia be ny malagasy dia be dia be ny mahazo asa. Aoka ny toekarena tsy hidiran’ny politika! Mila mifamelona isika. Aza ilaozana miady amin’ny mpandraharaha iray fa ataovy ny vitany raha vitanao! Nanoratra boky momba ny vehivavy sy fihavanana aho. Zava-dehibe io fihavanana io ary malahelo ny tena maheno hoe miady ny okrainianina sy rosianina nefa fianakaviana. Toy izany koa ny israelianina sy palestinianina. Israely moa taranak’i Jakoba ary i Palestinina an’i Ismaely. Samy taranak’i Abrahama ireo. Mitovy amin’ny tantaran’i Andrianjaka, zanak’i Ratsitohinimanjaka, sy Andriatompokoindrindra, izay zanany akaiky indrindra koa fa hafa reny, teto Imerina. Andriatompokoindrindra no zoky, izany hoe manana zo kokoa amin’ny Andriamasinavalona, taranak’Andrianjaka. Raha nisakana Andriatompokoindrindra, tsy hary Andrianjaka. Maty Ralambo, izay samy rain’izy mirahalahy ireo. Tsy nisy israelianina koa raha nisakana i Ismaely ka maty i Abrahama. Tokony hanaja zoky ny israelianina, hoy hatrany ny Fanare!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.