Politique

Antoko politika Avana “Tsy mila korontana intsony i Madagasikara”


  • Alakamisy 03 Novambra 2022

10 taona izay no nitsanganan’ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina, hoy ny filoha mpanorina azy, Dr Jean Louis Robinson.

Nandresy tamin’ny fiodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena ny antoko tamin’ny taona 2013 satria nahazo teo amin’ny 21% mahery, hoy izy. 15% tany ny an’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nifamadika moa ny zava-nisy tamin’ny fiodinana faharoa ka na dia maro aza no niteny hoe andao hanao an’izao sy izao dia nanara-dalana nanaiky ny didin’ny fitsarana isika. Teo foana ireo mpikambana tao anatin’izay 10 taona izay ary hiatrika kaongresy fahatelo izao ny antoko. Ny 4 sy 5 novambra 2022 izao no atao izany. Iantsoana ny solontena miisa 3 isaky ny faritra izany satria marobe isika mpikambana. Aza tezitra izay tsy voaasa fa mbola ho avy ny fitetezam-paritra. Ho ambara mazava amin’io fotoana io ny ideolojian’ny antoko satria noresahana hatramin’izay ny hoe tsy mila korontana, malagasy mifamono izahay ary izay no nanekenay iny valim-pifidianana iny. Ambara mazava koa hoe inona no hatao ao anatin’ny tarigetra sy vina anatin’ny 5 taona manaraka. Ho resahana amin’io koa ny Avana sy ny fifidianana hoavy ary ny hetahetan’ireo mpikambana manerana ny faritra. Ho ambara mazava fa manara-dalana ny antoko ary tsy mila korontana intsony I Madagasikara, hoy hatrany ny antoko politika Avana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT