Politique

Antoko politika AMEMAD “Tsy ekenay ny fikasana hanao “ni…ni””


  • Zoma 28 Oktobra 2022

Antoko mpanohitra mijoro ho arofanin’ny fitondram-panjakana ny AMEMAD na Antoko mendrika eto Madagasikara, hoy ny filohany, Liva Razafitsiferana.

Tsy mitondra vokantsoa ho antsika izany heritreritra haka fanjakana amin’ny alalan’ny korontana izany, hoy izy. Tsy hekenay sahady ihany koa izany fikasana hanao “ni…ni” izany. Tsy mankasitraka fandravana governemanta koa izahay satria hanova zavatra maro izany. Izay te hiala anaty fitondram-panjakana dia aleo hiala fa izay te hijanona kosa dia hampanaovy fanekena 3 na 6 volana fara-faharatsiny hanatanteraka tetikasa manome lanja ny sosialim-bahoaka amin’izay ao anatin’izao fe-potoana faran’ity fitondrana ity izao satria tena sahirana ny vahoaka. Manohana ny fahaizan’izao fitondrana izao maka lesona tamin’ny lasa izahay. Tokony afantoka amin’ny sosialy ny asa faraparan’ity fitondrana ity. Ny vahoaka moa no mijery avy eo hoe namaly ny hetahetan’izy ireo ve ilay fitondrana sa tsia, hoy hatrany ny AMEMAD?
J. Mirija Legende: Ny filohan’ny AMEMAD Atoa Liva Razafitsiferana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT