Politique

Antoko politika ABA Miainga amin’ny fianakaviana ny fampandrosoana


  • Zoma 20 Aprily 2018

Omaly no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foibeny Antsahabe ny fitsanganan’ny Antoko politika ABA (Antokom-Bahoaka Malagasy).

 

Niorina tamin’ny 03 novambra 2017 ary manana ny vinany enti-mampandroso ny firenena ity antoko ity. Hovoizina ny fampivoarana maharitra ny Malagasy amin’ny alalan’ny politika miainga amin’ny fianakaviana araka ny tatitry ny filoha Mpitarika Rakotoson Herintsoa Dany. Ankoatr’izay dia hiezaka hitondra vahaolana manoloana ny fahantrana misy eto Madagasikara ny antoko mba hampivoarana haingana ny fiainam-pianakaviana isan-tokantrano. Milaza ny handray anjara ny amin’ny fifidianana rehetra misy ary efa manana ny olona feno traikefa sy mahalala tsara ny fahasahiranam-bahoaka ihany koa izy ireo. Tanjona ny tena hananan’ny vahoaka fahefana feno fa tsy ho anjorom-bala sy voafitaka lava tahaka ny zava-misy ankehitriny. Rehefa izay dia hanana ny ampy ny olon-drehetra ary mba miaina araka ny tokony ho izy ny Malagasy. Mbola ho avy ny fotoana hamelabelarana ny vina rehetra ankoatra ity fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ity hoy hatrany ny filohan’ny antoko.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT