Antoko Otrikafo

“Mialà ianareo tsy ho kandida!”


  • Alatsinainy 11 Septambra 2023

Nampita hafatra ho an’ireo kandida ho filoham-pirenena ny antoko politika Otrikafo ny sabotsy teo.

Tsy mitsahatra milaza ary manamafy izahay fa tsy misy fampandrosoana azo antenaina eto amin’ny firenena raha tsy mipetraka ny demokrasia sy tany tan-dalàna, hoy ny filohan’izy ireo, Elia Rabevahiny. Miara-manaiky isika olompirenena, hoy ny Otrikafo, fa ny hahatongavana amin’izany demokrasia izany dia ny fifidianana. Tsy fifidianana fehy fifidianana akory fa fifidianana manaraka ny fenitra demokratika. Ny fitondram-panjakana dia miroso amin’izany fifidianana izany na dia hita aza fa tsy voahaja ireo fenitra demokratika ireo. Firafitry ny CENI tsy ara-dalàna. Famatsiana ny enti-manana tsy tanteraka. Lisim-pifidianana azo kihanina sy ny maro hafa. Miampy indray koa izao ny firotsahan-kofidiana sasantsasany tsy manaja lalàna. Mazava izany fa tsy antenaina ary tsy heverina akory haneho ny demokrasia marina ny vokam-pifidianana amin’izao endriny izao. Manambara ny Otrikafo, ho anareo kandida hifaninana amin’ny kandidam-panjakana fa tsy diso ianareo ka ho meloka eo anatrehan’ny vahoaka malagasy sy ny tantara raha hisintona miaraka miala tsy ho kandida ianareo ary tsy ho mpiray tsikombakomba amin’ny sarisarim-pifidianana fantatra fa tsy manaraka ny fenitra demokratika. Diso ianareo raha mikiry hiroso amin’ny fifidianana ka hanome “légitimité” na fankatoavana ny voka-pifidianana amin’io endrika sarisariny io. Ny fitiavan-tanindrazana sy ny fijerena ny tombontsoa marina an’ny vahoaka izany mitaky ny fisitahanareo amin’io sarisarim-pifidianana io ary tsy hanaiky ny fankatoavana vokatr’io. Tsy mendrika izao ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Manamafy ny Otrikafo. Mialà ianareo tsy ho kandida, hoy hatrany ity antoko ity!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT