Efa mahalala ny antony tokony hahafahany na tsy hahafahany milatsaka amin’izao fifidianana kaominaly izao,
hoy ny antoko politika Natiora. Na ny lafiny dosie aza, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho, dia efa fantatra izany. Izahay tsy hanao hoe andao mody hanatitra dosie, hoy izy. Azonay atao izany. Miantso ny mpikambana ao aminay izahay satria manana olona betsaka dia mody hiantso ny olona hiaraka hanatitra ilay taratasy any amin’ny OVEC. Miantso mpanao gazety dia miseho gazety ny ampitso hoe hilatsaka nefa kay ny dosie tsy ampy satria tery ny fotoana navela hanaovana azy. Tsy kilalaon-jaza ny fifidianana. Tsy hanaovana kilalaon-jaza ny firenena. Izahay tsy hanao ilay hoe andao handatsaka dosie na andao hiomana dia rehefa tonga ny volana desambra dia hoe noho ny antony izao dia hiantso ny olona tsy hifidy fa aminay dia rehefa tsy mety ny zava-miseho amin’izao, indrindra, ny fanomezana zom-pirenena na «nationalité», zava-dehibe izany ary io no nahatongan’ny kolektifan’ny kandida hanentana hoe aza mifidy! Misy kandida tsy tokony hilatsaka. Izahay tsy hilalao vahoaka amin’izany. Aiza no misy an’izany hoe hamoraina indray ilay fakàna «nationalité»? Teo aloha dia hoe resaka 211bis. Avy eo indray dia hoe kara-panondrom-pirenena voamarina na «carte d’identité nationale certifié» dia ahazoana «nationalité». Amin’izao indray dia hoe tsy ilaina izany. Atao kilalaon-jaza ny fitantanana ilay firenena. Maninona moa raha tsy ilaina koa ny kara-panondro fa rehefa hoe mipetraka eto Madagasikara ka miteny gasy dia malagasy izy izay? Inona no ilàna izay hetra? Tany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ilay izy nety dia izao indray hoe tsy mety. Kilalaon-jaza izany aminay. Tsy hametraka tantara ratsy eto amin’ny firenena ny antoko Natiora, hoy hatrany ity antoko politika ity!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.