Eny amin’ny antenimieram-pirenena Lapan’ny demokrasia no tena hahafahana milaza ny tsy mety.
Ny TIM izay manana depiote 16 no efa nametraka ny taratasy ara-dalàna maha mpanohitra azy. Raha ny tokony ho izy ny antoko mpanohitra dia manana ny toerany ao amin’io andrim-panjakana io, manana anjara toerana filoha lefitra. Hotakiana ary hampiasainay io, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko TIM Rtoa Ramalason Olga, ary tsy ho firaisana tsikombakomba amin’ny governemanta fa mijoro manara-maso ny fiainam-pirenena. Mety ho kabinetra manokana io, ary mety hitovy isa amin’ny minisitera ny mpikambana ao anatiny, hanara-maso akaiky ny fiasan’ny minisitera tsirairay, ary hanolo-kevitra hanatsarana ny fiainam-bahoaka hanampiana ny hevitry ny governemanta. Hatreto anefa, mbola miandry ny taratasy ara-panjakana na ny “récépissé” avy amin’ny minisiteran’ny Atitany milaza ny maha mpanohitra ara-dalàna ny TIM, izay nampanantenaina fa ao anatin’ny 3 na 4 andro no tokony hivaly, saingy tsy nivaly hatramin’izao. “Fanahy iniana ve sa tena tsy tiana mihitsy ny hijoroan’ny antoko mpanohitra ?, hoy ny TIM. Hatramin’ny fitondrana Rajaonarimampianina no tsy navoaka ny didim-panjakana mikasika ny satan’ny mpanohitra, izay voasoratry ny lalàmpanorenana ary fametrahana ny tena demokrasia. Mizotra amin’izany ihany koa ve ny fanjakana Rajoelina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.