Rahampitso sabotsy 10 aogositra manomboka amin'ny 9 ora sy sasany no hatao ny fivoriam-be voalohan’ny mpanohitra, izay hatao eny amin’ny Hotel Carlton Anosy,
hanasana ireo antoko politika rehetra tsy ankanavaka vonona hifanome tanana amin'ny fanarenam-pirenena, hoy ny fampitam-baovao. Midika io fa mivoatra ny toe-draharaha politika eto amin’ny tany sy ny fanjakana, ary miha mafana ny toe-draharaham-pirenena. Tsy tongatonga ho azy rahateo ny tahaka izao, fa fiomanana amin’ny paikady politika manoloana ny zava-misy. Manomboka ny alatsinainy 12 aogositra ho avy izao rahateo ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny antenimieram-pirenena, ka anisan’ny ho lahadinika ny fikitihana ny sata mifehy ny mpanohitra dia ilay lalàna 2011-013, izay voalaza fa misy ny tolo-kevitra avy amin’ny governemanta ankoatra ny hoentin’ireo depiote. Andrasana izay hiseho etsy amin’ny Hotely Carlton, izay heverina fa hisy ny fifanakalozan-kevitra samihafa. Mety hisy fehin-kevitra na fangatahana avy amin’ireo ankolafin’ny mpanohitra. Ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara na ny TIM hatreto no efa manana ny taratasy ofisialy na ny « récépicé » maha mpanohitra, ary mivoy hatrany fa ny lalàna 2011-013 no nahazoan’izy ireo izay taratasy ara-panjakana izay, ka tsy tokony hokitikitihina ny lalàna efa nankatoavina fa avoaka ny didy fampiharana. Matoa misy ny fivoriam-be tahaka izao dia misokatra ny adihevitra sy ny fifandresen-dahatra ara-politika momba ny fanoherana, ka andrasana izay zavatra hiseho ato ho ato.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.