Antoko MONIMA

Tsy hisy hanaiky fifidianana maloto eto


  • Zoma 03 Novambra 2023

Nanamafy tamin’ny alalan’ny Birao Nasionaliny ny Antoko Monima tarihin’ny Praiminisitra teo aloha Atoa Monja Roindefo,

fa Tandindomin-doza ny firenena malagasy noho ny fanodinana ny fifidianana ho fividianana mandeha sahady ankehitriny, Ka ahiana mafy ny hisian'ny ady an-trano (guerre civile) eto Madagasikara satria tsy hisy hanaiky ny fifidianana maloto, ary efa raiki-tampisaka amin’izany ny vahoaka malagasy manerana ny Nosy, hoy ny Monima. Nilaza ho tsy afaka ny hitaza-potsiny i Monja Roindefo, Grand-Croix de Première Classe, Praiminisitra teo aloha ary anisan'ny Raiamandreny eto amin'ny firaisam-pirenena, ny fihavanana, sy ny fiandrianam-pirenena, soatoavina nolovainy sy ny Antoko MONIMA tamin'ny Tia Tanindrazana MONJA Jaona. Misy anefa, hoy ny Monima, ny ireo tsy mataho-tody mampiely tsaho, milaza amin'ny tambajotra fa mampiakatra Antandroy maro eto Antananarivo İ Monja Roindefo. Misy koa manam-boninahitra ambony vitsivitsy mandrahona ny Antandroy eto Antananarivo, raha ny nambaran’io Antoko io hatrany. « Melohina izany satría miendrika adim-poko. Ka mipetraka ny fanontaniana hoe: Rehefa iza dia rahonana eto ? Iza no manana tombotsoa amin'ny fanaparam-pahefana eto ? Inona no tiana hatao eto ? », hoy ny Monima. Manoloana izany ambaran’izy ireo fa tetika maizina fampizarazarana ny Malagasy izany, izay sokajiany fa efa fomba fanosoram-potaka ataon’ny fahavalom-bahoaka hatramin’izay, dia nilaza ny Monima, fa manameloka marindrano izany fanosaram-potaka an’i Monja Roindefo. Noho izany rehetra izany, « miantso ny vahoaka malagasy rehetra ny Antoko MONIMA, na eto an-toerana sy any ivelany, ho mailo, ka ho tony hatrany, hitandro mandrakariva ny firaisam-pirenena. Miantso ihany koa ny mpitandro ny filaminana mba tsy hanaiky ho zarazarain'ny mpizara vola. Asa masina ny asanareo, miaro ny marina, ny rariny sy ny hitsiny, hitandro ny teny faneva hoe «Ho an’ny Tanindrazana””, hatrany ny MONIMA.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT