Antoko MMM

“Tomponandraikitra amin’ny fanakorontanana ny fitondrana mikiribiby”


  • Alatsinainy 22 Janoary 2024

Matoa milaza ny firaisankinan’ny kandida miisa 11 na C11 hoe mitohy

ny tolona dia mbola tsy tratra tsinona ny tanjona hanadio ny tokontanim-pifidianana, hoy ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM, nanokatra ny taom-pikatrohana politikany ho an’ity taona 2024 ity ny sabotsy teo. Tsy midika izany, hoy ny filohan’ny antoko, Hajo Andrianainarivelo, fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana izahay fa handray anjara toy ny tamin’ny farany teo izahay. Rehefa tsy hiditra amin’ny fifanakalozan-kevitra ho fanadiovana ny tokontanim-pifidianana ny fitondrana amin’izao fotoana izao dia ho tomponandraikitra amin’izay zavatra mety hiseho amin’ity taona ity. Efa nampiseho tsinona teo ny vahoaka maro an’isa fa tsy manaiky ireny fifidianana feno hosoka sy feno tsy fanarahan-dalàna ireny. Tsy hoe resy akory ny vahoaka tamin’iny fa nangina satria nitady filaminana. Ho raisina ho tomponandraikitra amin’ny fanakorontanana an’ity firenena ity kosa ny fitondrana raha amin’izao no mbola mikiribiby hanohy iny lalan-dririnina iny. Mino izahay fa hijoro hanakana ny olona mpanimba sy mpanakorontana firenena ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena, hoy hatrany ny MMM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

Hijery ny tohiny
FTT