Politique

Antoko Miombon’Ezaka « Tsy izy io lalàm-pifidianana io ! »


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Raikitra tokoa, araka ny efa nanampoizana azy, ny savorovoro teny amin’ny antenimieram-pirenena manoloana ny fikasan’ny fitondram-panjakana handany amboletra ireo tolo-dalàna mikasika ny fifidianana notontosaina teny Tsimbazaza omaly.

Nivoaka ny efitrano moa ireo depiote tsy nankato izany, toy ny TIM sy ny Mapar. Raha ny tokony ho izy, hoy ny fanazavan’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, dia latsaky ny 76 isa sisa ireo tafajanona tao anaty efitrano. Noho izany, tsy afaka handany lalàna fehizoro (loi organique) izy ireo. Naneho ny heviny avy hatrany ihany koa ny mpanao politika nahare ny savorovoro. Nanambara ny filohan’ny AME (Antoko Miombon’Ezaka, Ramilina fa tsy izy io lalàm-pifidianana io. Tsy io no niaraha-namolavola teny amin’ny Carlton. Na ireny resaka sonia 150 ireny fotsiny aza dia tsy tao anatin’ny fifanarahana. Ny mampalahelo dia be ny zavatra niova ary manao jadona indray ny fitondrana HVM. Raha mbola misy fitiavan-tanindrazana na dia kely aza izao fitondrana izao dia tsara aminy ny mametra-pialana fa tsy tafavoaka. Raha mbola io lalàna io no hikirizana dia hiteraka korontana foana na ho lany na tsy ho lany ny HVM satria tsy mahefa (incompetent) ny manao azy, hoy hatrany ity filoha ity.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT