Politique

Antoko Miombona Ezaka Vaky ny ady eo amin’i Clément Ravalison sy Efraima


  • Talata 25 Oktobra 2011

Ratsy ny fifandraisana eo amin’ny filohan’ny antoko Antoko Miombona Ezaka (AME) Clément Ravalison sy ny filoha lefiny Efraima Randrianasolo.

 Noho ny tsy fitovian-kevitra amin’ny resaka politika no mahatonga ny fivakisana. Samy mpikambana ao amin’ny Escopol izy mirahalahy ireto saingy mitana andraikitra ambony eto amin’ny firenena Randrianasolo Efraima izay mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita. Raha ny hevitr’i Clément Ravalison anefa dia ny filohan’antoko ihany no tokony hanana anjara toerana lehibe tahaka izany koa gaga amin’ny nahalasanan’ny filoha lefitry ny antoko io toerana io ny tenany.

Efa hatramin’ny nitsanganan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita izany no nihotrika ity raharaha ity fa izao vao vaky. Vao mainka tanteraka ilay fisaraham-bazana ankehitriny satria mikasa hanaisotra an’i Efraima tsy ho filoha lefitry ny AME intsony i Clément Ravalison. Mazava anefa ny valin-teniny manoloana izany. «Ny kongresy ihany no afaka manala ahy amin’io andraikitra io. Resaka foto-kevitra no nidirako AME fa tsy olona akory. Gaga koa aho raha raharaha anatiny ka mahagaga no amoahana azy amin’ny haino aman-jery». Milaza ny vonona ny hijanona ho mpikambana tsotra ao amin’ny antoko AME koa anefa Efraima Randrianasolo raha ilaina izany. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy hanaratsy ny filohan’ny antoko mihitsy ny tenany na dia iharan’izany aza.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT