Manana hatramin’ny faha 12 septambra ho avy izao ireo izay maniry hilatsaka hofidiana ben’ny tanàna, hanateran’izy ireo ny antontan-taratasy momba ny fifidianana.
Hatramin’ny nanoratana ny lahatsoratra, mbola kandidà tokana hatreto no efa nanatitra ny taratasy filatsahanko-fidiana amin’izany ary naneho ny fahavononany, dia ny avy amin’ny Antoko Politika Madio (APM). Nilaza kosa ry zareo avy ao amin’ny antoko Mfm, tamin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny Olivier Rakotovazaha fa hanolotra kandidà izy ireo. Mbola hodinihana ary iarahana manapaka amin’ny antoko ADR moa satria ity antoko ity dia anisan’ny niara-niasa akaiky tamin’ny antoko Mfm foana, isaky ny misy ny fifidianana natao teto. Hatreto, araka ny nambarany, dia hery afovoany no misy azy ireo na «centriste» amin’izao fotoana izao.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.