Olan’ny samy Malagasy, aleo samy Malagasy ihany no hamaha azy, hoy ny filohan’ny antoko politika Maitso, Alexandre Georget, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny antoko etsy Ambohitsoa.
Naneho ny fiaraha-mioriny tamin’ireo niharam-boina nandritry ny tolona tetsy Analakely ny sabotsy teo ny tenany ary nisaotra ireo miaramila nahatsapa ny hadisoan’izy ireo ka nandray ny fanapahan-kevitra nifanaraka tamin’izay. Tandindomin-doza ny demokrasia, hoy izy, ary tsy fanajana ny demokrasia no nitranga. Tsy misy vahaolana hafa ankoatra ny fanatontosana fifidianana mialoha ny fotoana. Raha mbola hifanatona sy hifampiresaka mety ho sady lany fotoana no hamboly krizy vaovao, hoy hatrany izy. Aleo mametra-pialana ny filoham-pirenena sy ny governemanta dia mandray ny toerany ny filohan’ny antenimierandoholona ary mikarakara izay fifidianana izay mandritra ny 2 volana. Eo ny lalàm-pifidianana tamin’ny taona 2013, hoy hatrany izy, azo hanatanterahana izany. Efa neken’ny sehatra iraisam-pirenena iny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.