Miantso ny solombavambahoaka mba ho tonga saina ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Atoa Georget. Tsy kilalaon-jaza ny fifidianana.
Na izany aza anefa, efa tsara ary hisaorana ireo solombavambahoaka miisa 68 mitsinjo ny hoavin’ny taranaka ny nandavany iny fanovana ny lalàna mifehy ny fifidianana noterena tsy maintsy natao teny Tsimbazaza ny herinandro teo iny. Mbola misy solombavambahoaka 12 andrasana izay inoana ny hahatongavany saina raha 70 kosa ireo solombavambahoakan’ny fitondrana efa nandany izany. Nomarihin’ity filoha nasionalin’ny antoko Maitso ity moa fa betsaka ireo lesoka ao anatin’io lalam-pifidianana vaovao io izay terena holanian’ireo solombavambahoaka eto amintsika. Anisan’izany ny faneren’ny fitondram-panjakana hitovy mikasika ny vaovaon’ireo kandida amin’ireo haino aman-jery tsy miankina sy ny haino aman-jerim-panjakana. Toraka izany koa ny fahafahan’ireo mpiasam-panjakana manao propagandy… izay tena nambarany fa hamoa-doza ho an’ny firenena tokoa raha sanatria ka lany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.