ANTOKO MAITSO

Mankasitraka amin'ny firosoana


  • Alakamisy 20 Aogositra 2026

mankany amin'ny fifidianana

Nivoaka tamin'ny fahanginana ny Filohan'ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara Atoa Georget Alexandre taorian'ny fanambarana nataon'ny SADC mikasika ny fanampian'izy ireo an'i Madagasikara hahatongavana any amin'ny fifidianana tena izy. Faly ny amin'ny firosoana mankany amin'ny fifidianana ny tenany. Nankasitraka feno ny Filohan'ny Fanavaozana ny kolonely Randrianirina Michael koa izy araka izany ny amin'ny fahavononana nasehony nandritra ny fihaonana an-tampony faha-46 an'ny SADC natao tany Durban Afrika Atsimo ka tsy nisian'ny fifanaovan-tsonia hafa fa niompana tamin'ny dinika momba ny fifidianana. Nanolotra soso-kevitra ny amin'ny tokony hampitambarana ny fifidianana rehetra araka izany Atoa Alexandre Georget. Nambarany fa tokony ho vitantsika izany noho ny hamaroan'ireo manam-pahaizana eto amin'ny tany sy ny firenena hotronin'ny Ministeran'ny Ati-tany izay tena tompon'andraikitra voalohany. Azo hatao tsara hoy izy ny manao ny fifidianana Ben'ny tanana, depiote, senatera ary Filoham-pirenena amin'ny andro iray. Ny finiavana sy ny fahavononana efa misy tsara hoy izy fa mila mifanolo-tanana fotsiny. Mikasika ny fampihavanana notontosain'ny Filohan'ny Fanavaozana tany amin'iny Faritra atsimon'ny Nosy iny moa dia nambarany fa tena ilain'ny Firenena ireny hisian'ny firaisankina sy ny fitiavana hahafahana tena miroso mankany amin'ny fampandrosoana marina.
Pati
Légende : Atoa Georget Alexandre, Filoha mpanorina ny antoko Maitso Hasin'i Madagasikara !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT