Politique

Antoko Maitso hasin’i Madagasikara “Tsy maintsy ho tetezina ny faritra rehetra”


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Mitohy hatrany ny fameloma-maso na “redynamisation” eo anivon’ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara, hoy ny filohan’ity antoko ity, Alexandre Georget. Mahavelombolo,

hoy izy, ny fandraisan’ny olona ny antoko Maitso sy ireo mpandrindran’ny antoko manerana ny nosy izay midina eny ifotony izay mba afaka nanazava ny antom-pisian’ny antoko, ny tarigetrany, ny ho entiny eto amin’ny firenena. Ny faritra vita hatreto dia iny Androy iny, ny Atsimo atsinanana, Avaratra saingy mbola tsy maintsy hiverenana hatrany moa ireo toerana ary tsy maintsy omena sakafo ara-poto-kevitra. Mivalampatra mandrakotra an’I Madagasikara manontolo ny antoko. Tsy maintsy ho tetezina ny faritra rehetra. Mifototra amin’ny tany, rano, tontolo iainana ny antoko Maitso. Foin’Andriamanitra hiara-hiaina ny olombelona sy ny zavaboary. Tsy maintsy mifanaja ireo raha tsy izany tsy mirindra ny fiainantsika zanak’olombelona. Manomana kaongresy ho atao any amin’ny volana martsa 2023 any izahay izao. Mitsipaka izany fikaonandoham-pirenena izany ny Maitso satria lanim-bahoaka voafidy tamin’ny fomba ofisialy ity fitondrana ity ary eken’ny fiarahamonim-pirenena manerana izao tontolo izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Alexandre Georget
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT