Nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety taorian’iny fivoahan’ny valim-pifidianana ny zoma lasa teo iny dia nanao fanambarana ofisialy ny antoko Maitso Hasin’i Madagasikara, tarihin’ny filohany Saraha Georget Rabeharisoa fa rehefa nandinika izy ireo dia ny kandida atolotry ny antoko Avana ny Dr Robinson Jean Louis no hotohanan’ny Maitso amin’ny fihodinana faharoa. Nambaran-dRtoa Saraha Georget Rabeharisoa fa ny Dr Robinson Jean Louis no azon’ny antoko antoka fa tsy handroba ireo harem-pirenena sady hanana politika hiaro ny tontolo iainana izay anisan’ireo fototra hijoroan’ny antoko Hasin’i Madagasikara amin’ny maha antoko Maitso azy. Hanome toromarika ireo mpikambana Maitso mifandraika amin’izany ny Foibe.
Nofy R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.